Tanora TIM Boriboritany faha-6

“Mila tandrovana ny tsy hisian’ny korontana”


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

Betsaka ny asa sosialy karakarain’ny Tanora Tiako i Madagasikara na Jeune TIM eto amin’ny boriboritany faha 6 toy ny fanaony isan-taona,

hoy ny filohan’ity taninketsan’ny antoko TIM eny an-toerana ity, Lalaina Rabezanahary. Tontosa tamin’ny tapa-bolana izao, ohatra, ny didim-poitra faobe. Teo koa ny fijerena ny resaka fampianarana, ny resaka “Call center”, fampianarana kabary, fampianarana savony sy ny maro hafa. Ezaka ny fanalefahana ny fahasahiranan’ny vahoaka satria iarahantsika mahita ny ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Ankilabao ny sosialim-bahoaka. Nampalahelo ny tranga tamin’ny aina nafoy sy ratra marobe tamin’ny lalaon’ny nosy. Maika ny hanao werawera dia tsy tomombana ny fikarakarana. Manomboka koa izao ny fikaonan-doham-pirenena tarihin’ny FFKM saingy mampametra-panontaniana hoe maninona no efa ireo raiamandreny eto amin’ny firenena no manasa dia mbola tsy mihaino ihany ny fitondram-panjakana? Latsaka an-katerena nefa ny firenena. Hifarana ity ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena. Hifarana mialoha izany ny fe-potoana hahafaha-manatitra ny antotan-taratasy eny amin’ny HCC saingy tsy mbola hita hoe inona no ho ataon’ny filoham-pirenena? Ekena fa misy ny tsy tomombana amin’ny fikarakarana fifidianana saingy tsy midika izany fa tsy hiroso amin’ny fifidianana isika. Ny antoko politika Tiako i Madagasikara dia tsy mivoy ny fakana fahefana amin-kery fa manaraka ny lamina demokratika hatrany. Na eo aza ny resaka HCC kiantranoantrano, CENI kiantranoantrano, fianakaviana kiantranoantrano dia efa natao ihany ny fifampiresahana isan-tsokajiny, fifampiantsoana hijerena vahaolana. Diso isika raha tsy hametraka taratasy firotsahan-kofidiana fa mampahazo aina ny ankilany fotsiny. Mila tandrovana ny tsy hisian’ny korontana mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana, hoy hatrany ny filohan’ny tanora TIM Boriboritany faha 6.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT