Tanora TIM Atsimondrano

"Ny depiote Voahangy, mpitolona no mahasolotena anay "


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Tsy manohana kandida hafa ankoatry ny avy amin`ny Vovonana Firaisankina izahay

Tanora TIM eto Atsimondrano". Io no votoatin`ny fanambarana nataon`ity rafitra iray ity ny sabotsy lasa teo teny amin`ny Espace Olympia Ampitatafika. Ankoatry ny fanarahana ny fandaminana napetraky ny antoko dia resy lahatra izy ireo fa ny lisitra tarihin`ny Depiote Voahangy no afaka hisolotena an`Atsimondrano amin`ny fanohizana ny tolona ho an`ny fanovana. Mila olona afaka miady sy tsy azo hozongozonina izany ady ho an`ny tombontsoan`ny Firenena izany. Voahangy Raharimanarivo manokana dia efa nanaporofo fa afaka miatrika izany. Nandray anjara mavitrika tamin`ny tolona rehetra niadiana ho an`ny fampanajana ny zo fototra teto amin`ny Firenena izy ary tsy latsak`izany ihany koa ireo mpiray lisitra aminy. Niray feo ary ireto tanoran`Atsimondrano ireto fa hanamafy ny fiaraha-miasa hampandaniana ny lisitra laharana faha-efatra ary mbola miantso ireo rehetra mitovy hevitra aminy mba hifanatona ahafahana mandrindra izay tokony hatao rehetra. Tsy vitan`izany fa hijoro hiaro ny safidin`ny vahoaka koa izy ireo ka tsy hampibaribary izay rehetra mikasa hanodikodina izany noho ny fiarovana ny tombontsoan`olom-bitsy.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT