Tanora avy amin’ireo antoko nanolotra kandida

“Melohinay ny famerenana ny fanao efa namoa-doza”


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Niray feo ary nanao fanambarana miaraka omaly ireo tanora avy amin’ny Antoko sy vovonana politika samihafa

nandrotsaka kandida filoham-pirenena, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Niara-nanatontosa izany ireo tanora izay nahitana ny solontenan’ny FTT, TIM, HVM, MMM, MTS, APM, ARB, TSARATAHAFINA. Naneho fa tsy mitazam-potsiny fa manaraka akaiky ny zava-misy satria ny androany sy ny rahampitso no imasoana miaraka. Nampahatsiahy sy nanatsikafona ny tsy fanarahan-dalana, fanararaotam-pahefana, tsy fanajàna ny andrim-panajakana, fanitsakitsahina ny zo maha olona sy ny fanitsakitsahina ny fahalalahana maneho hevitra. Efa fototra nampikorontana ny firenena hatramin'izay naha Repoblika an'i Madagasikara ireny, ka niteraka ireo krizy efa nampidi-kizo, hoy izy ireo, izay naneho fa tsy naka lesona ny mpitondra, ka miverina ny fomba fanao mamoa-doza efa nilazaon’ny toetr’andro, ka nilazan’izy ireo fa tsy mendrika ny Malagasy intsony,fa indrindra,tsy mendrika ny tanora intsony ny mbola hiverenan'ireo fomba fanao efa namotika antsika ireo. “Melohinay tanteraka ny mbola nanekena ny firotsahan-kofidian'ny olona izay efa tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony.Tsy fankahalana izany na halako bika tsy tiako tarehy fa hofampiharana sy ho fanajàna ny efa voalazan'ny andininy faha 46 amin'ny lalam-panorenana malagasy. Melohinay tanteraka ny "Fanonganam-panjakana" nisy teto amin'ny firenena ka nanomezana ny fahefana ho an'ny "Gouvernement Collégial" kanefa ny Filohan'ny Antenimierandoholona dia efa nilaza ombieny ombieny fa vonona handray ny fahefana efa nankinin'ny lalam-panorenana taminy ka tsy azony lavina raha toa ka mbola Filohan'izany Andrim-panajakana izany. Raha tena tsy afaka ny handray izany fahefana izany dia tokony mametra-pialana amin'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona azy”, hoy izy ireo. “Miantso ny tanora namana izahay, tsy ho variana ary ny hoavintsika no tena jerena. Manohana feno ny hetsika ataon'ny "collectif des Candidats" izahay ary mankahery azy ireo amin'ny ezaka iarahana manatanteraka. Sahia mijoro hatramin'ny farany ary hamafiso hatrany ny fiaraha-mientana izay efa misy eo aminareo satria miandrandra anareo i Madagasikara”, hoy hatrany ireo tanora avy amin’ny Antoko samihafa ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT