Tanora 7 tapitrisa afaka hifidy

Tsy tokony ho mpandatsa


  • Talata 08 Septambra 2026

fotsiny amin’ny 2027

Manodidina ny 7 tapitrisa ny tanora malagasy eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona izay efa manan-jo hifidy amin’izao fotoana izao, araka ny tatitry ny KMF/CNOE. Mitovy amin’ny 40 hatramin’ny 45 %-n’ny mponina manan-jo hifidy eto Madagasikara. Eo anelanelan’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 sy 2027, dia tombanana fa hisy 2,5 ka hatramin’ny 2,7 tapitrisa hafa hahatratra ny faha-18 taona, ka ho tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Manomboka amin’ny 25 avrily ka hatramin’ny desambra 2027, dia mety hisy 400 000 ka hatramin’ny 450 000 tanora fanampiny hiditra ao amin’ny vato misahana ny fifidianana. Ho an’ny KMF/CNOE, tsy tokony hifarana amin’ny andro ifidianana fotsiny ny fandraisan’anjaran’ny tanora. Tokony ho hita amin’ny dingana rehetra amin’ny dingana fifidianana izany: manomboka amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy, ny fanaraha-maso ny fampielezan-kevitra, ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, hatramin’ny adin-taona aorian’ny fifidianana. Manamafy ny KMF/CNOE fa manome zo ho an’ny olom-pirenena rehetra mahafeno ny fepetra ara-taona mba hifidy sy ho fidiana ny lalàmpanorenana malagasy. Izany dia manamarika fa ny tanora dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatanterahana ny demaokrasia sy ny fanorenana ny fitondrana tsara tantana. Ankoatra izany, manasongadina ny lanjan’ny "Génération Z" amin’ny fiainam-bahoaka, indrindra taorian’ny hetsika sy ny fihetsiketsehana nataon’ny tanora tamin’ny Septambra 2025 ny KMF/CNOE. Izy ireo no taranaka manan-danja amin’ny fanovana ara-tsosialy sy ara-politika, ka antsoina hanamafy ny fandraisana andraikitra amin’ny famolavolana politika, ny fandraisana fanapahan-kevitra, ary ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Ny tanora no fanalahidin’ny demokrasia maharitra. Tsy ampy ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana indray mandeha, fa ilaina ny fandraisana andraikitra mitohy amin’ny fanaraha-maso, ny fanabeazana ara-pifidianana, ary ny fifampiresahana aorian’ny fifidianana", hoy ny KMF/CNOE.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT