TANJOMBATO ATSIMONDRANO

Olona 9 no namoy ny ainy nandritra ny tolona, 13 naratra


  • Talata 21 Oktobra 2025

Anisan'ny tanana tena lasibatra nandritra ny

tolom-bahoaka nentina nandravana ny Fitondrana jadona nanomboka ny 25 Septambra teo ny kaominina ambanivohitr' i Tanjombato, distrikan'Atsimondrano. Orinasa maro no fantatra fa voaroba teny an-toerana, tranga izay marihina fa nohararaotin'ireo mpandroba izay tsy mponina eny an-toerana ny ankamaroany raha araka ny fanadihadiana. Fantatra nandritra ny tafa nataon'ny Ben'ny tanana Rakotoniaina Frédéric tamin'ny mpanao gazety omaly fa nahatratra 9 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny tifitra...nataon'ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana nandritra iny tolona iny. Miisa 13 kosa ireo naratra. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa na izany aza ny isan'ireo orinasa tena lasibatra. Raha araka ny fanazavan'ity Ben'ny tanana ity hatrany mantsy dia manakaton-trano izy ireo rehefa tonga manatona ny kaominina. Rehefa misy zava-nitranga mihatra amin'izy ireo kosa anefa dia tokony tsy antsoina izy ireo. Tsy tokony hifanome tsiny noho izany hoy hatrany ity Ben'ny tananan'i Tanjombato ity fa samy miaina amin'ny safidiny. Notsiahiviny moa fa tsy nitazam-potsiny ny kaominina nandritra ireny hetsika fa nifamotoana andro aman'alina tamin'ny mpitandro ny filaminana niarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Pati
Légende : Rakotoniaina Frédéric, Ben'ny tananan'ny Kaominina Tanjombato !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT