Politique

Tangalamena – Toamasina II Manao antso avo amin’ny HCC


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Fiaramonim-pirenena, mpanao politika, fianakaviam-be iraisam-pirenena, ary fikambanana samy hafa hatramin’ireo manamboninahitra efa misotro ronono, dia samy efa nanao antso avo avokoa amin’ny zava-misy iainan’ny firenena taorian’ny fandaniana ilay lalam-pifidianana farany teo;

tao amin’ny antenimiarem-pirenena sy ny antenimieran-doholona voalaza fa nanjakan’ny kolikolim-panjakana avo lenta, dia milaza manana adidy amin’ny tanindrazana sy ny vahoaka malagasy koa ireo vondron’ny tangalamena sy ireo ray aman-dreny ary notronin’ireo vondron’ny tanora ao Toamasina II, ka nanao antso avo sy fanambarana ihany koa izy ireo mikasika izany. Ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny tranon’ny depioten’ny Depioten’i Toamasina II Roilahy Jonah ao Valpinson, dia nilaza ireto tangalamena sy ray aman-dreny notronin’ireto tanora ao Toamasina II ireto, fa “mitatao ny loza ny korontana eto amintsika raha tsy mandray ny andraikiny amin’ny olon-kendry sy olon’ny fahamarinana ary olon’ny fiarovana ny lalam-panorenana azy ireo mpikamban’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana”, izay mbola nampian’izy ireto hatrany fa “tompon’antoka amin’ny zavatra hitranga eto ireo mpikamban’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ireo raha tafiditra ao anatin’ny kolikolim-panjakana ihany koa, ka aza gaga isika raha hiverina sy ho mafimafy kokoa tahaka ny zava-nisy ny taona 2001 ny hitranga eto; nefa ny vahoaka sy ny mpandraharaha ary ny sosialim-pahoaka ihany no hijinja ny vokatra izany amin’izao firenena efa mahantra izao”. Ankoatra izany dia nanaovan’ireto tangalamena sy ray aman-dreny notronin’ireo vondrona tanora ao Toamasina II ireto antso avo koa ny filoham-pirenena mba hametram-pialana hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena; satria tena tompo-marika amin’ny ady an-trano sy sakoroka ary filatsahan’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka an-kady ny filoha raha tsy mandray ny fepetra amin’ny fametram-pialany, noho ny zava-misy iainan’ny firenena izao…

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT