Politique

Tangalamena Andriamasinarivo “Ho mafy ny fahavoazany raha tsy tonga saina ny FAT”


  • Alakamisy 13 Oktobra 2011

Namoaka ny heviny mikasika ny raharaha politika Atoa Andriamasinarivo. Sady Tangalamena mantsy ny tenany no mpitondra hafatra avy amin´ny Zanahary koa amin´ny alalan´ny tsindrimandry azony.

 Nambaran´ity Tangalamena ity fa “tezitra mafy ny Zanahary ankehitriny, ka raha tsy tonga saina ny FAT, dia fahavoazana goavana no hihatra aminy tsy ho ela”. Nambarany koa fa tohin´ny tsindrimandry azony teo aloha, izay efa navoakany an-gazety ny 26 janoary 2010, ity tsindrimandry manaraka azony ity, izay nilazany fa “tsy ho todin´ny filohan´ny tetezamita sy ny fitondrana tetezamita ny mankany amin´ny Repoblika faha-04, noho ny tsy fanajany ny tena Raiamandreny isam-paritra fa manome lanja ny Raiamandreny Mijoro sy ny tsy fanajana ny aina izay tena hajain´ny razana Malagasy sy ny Zanahary fatratra”.

Nomarihan´ity Tangalamena ity hatrany ny hafatra efa nataony “ny 20 mey 2010. Efa nilaza aho fa hisy olon´ny FAT ho faty ary raha tonga izany dia ho raikitra ny ady an-tranon´ny FAT. Teo koa ny tamin’ny 24 septambra 2011 izay nahazoako tsindrimandry ihany koa fa hitrangana fahavoazana goavana ny FAT raha tsy mbola tonga saina amin´izao fahantran´ny Malagasy sy fahaverezana ara-moraly ataony izao, ka andro alakamisy na zoma tsy ampoizina no hitrangany”. Ankoatra izay, dia nisy koa ny hafatra napetrany ho an´ny mpanao politika Malagasy, indrindra ny mpitondra ny tetezamita, fa “tsy maintsy hapetraka ny rafitra mifandraika amintsika Malagasy, dia ny rafitra iombonan’ny rehetra”. Nomarihany anefa fa mpitondra hafatry ny Zanahary ihany ny tenany, ka asakasaka izay “hino sy hanaraka izay voalazako”, hoy izy. Ny zava-misy fotsiny dia “mitovy amin´ny fahitako” no hitan´ireo mpitondra hafatra tahaka ahy izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT