Teraka ny “Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato amin’ny fifidianana” eo anatrehan’ny hosoka sy tsy fahatomombanana maro. Miisa 684 ny fitoriana napetraky ny kandida nanerana ny Nosy ary 77 avy amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI.
Tsy nisy nojerena na iray aza ny fitoriana napetraky ny kandida rehetra, hoy i Henri Rakotomalala na Riribe isan’ireo ao anatin’ny hetsika. Fanapahan-kevitra politika ny an’ny HCC,. Tsy tomombana ny fifidianana nanerana ny Nosy ary tsy ny fifidianana depiote ihany fa hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny fanehoan-kevitra. Manana andraikitra ny olom-pirenena ka raikitra ny antso avo ataon’izy ireo ho an’ny olom-pirenena manerana an’i Madagasikara na antoko na kandida na olon-tsotra,… izay mahatsapa fa raha izao fifidianana amin’ny endriny hitondrana an’i Madagasikara izao dia hiteraka zava-doza ho an’ny firenentsika. Manentana ny rehetra ho avy hiatrika ny fihaonambe hatao etsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ireo mpitarika ny alatsinainy 15 jolay. Asain’izy ireo ho avy ny fiarahamonim-pirenena, solombavambahoaka, loholona,… izay mahatsapa fa ilaina ny dinika mba hahafahana miatrika fifidianana vaovao sy madio ary milamina izy ireo ho avy eny amin’ny Carlton Anosy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.