Vitan’ireo kandida miisa 11 ho tandindon’ny filaminana moa farany teo ny legioma laisoa voninkazo na “chou-fleur”.
Io ilay nolazaina hoe aleo mba ny soa miendrika voninkazo indray no hifampizarana eto amin’ity firenena ity fa tsy korontana sy horohoro na sanatria ra mandriaka toy ny tamin’ireo tolona nisy teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 1972 foana no hifanodiavana eto. Etsy ankilany, iaraha-mahita ny zava-mitranga, indrindra, eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maloto, hoy ny herivelona maro ivelan’izao fitondrana mijoro izao. Tsy atokisana ny fikarakarana sy mpikarakara ny fifidianana. Tsy atokisana ny governemanta. Resaka ora fa tsy mba andro akory no ivadibadihan’ireo mpitondra sy tomponandraikitra sasany eto amin’ity firenena ity amin’ny fanapahan-keviny sy ny teny nomeny. Nanao izany ny prefe tamin’ny resaka fandrarana fivoahana alina na “couvre feu”. Nanao izany koa ny filohan’ny antenimieran-doholona. Mbetika hoe tsy handray fahefana. Mbetika hoe aleo ho raisiko indray. Hatramin’ilay Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana aza mandefa serasera dia voafafa tampoka tsy fantatra hoe inona no anton’izany? Ny resaka tsy misy mipika isak’izay mihetsika amin’ireo heverina ho fihaonana politika goavana eto amin’ny firenena tato ho ato moa manginy fotsiny. Maloto ilay politika eto Madagasikara. Maloto ny rivotra politika eto hatreto. Asa hoe rahoviana ihany izy ity no mba hadio fa dia hita ho tandindona manaraka foana ho marik’izany aloha ny afitsoky ny zavaboary eto amin’ity firenena ity. Iaraha-mahita io fa maloto, ara-bakiteny koa ny rivotra iainana eto Antananarivo, renivohitry ny nosy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.