Tana IV-Sefo fokontany 14 nesorina

Naverin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana


  • Talata 07 Mey 2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

lefitra avy amina fokontany miisa 14 ao amin’ny boriboritany faha 4 dia Ankadilalana, Ambanin’Ampahamarinana, Soanierana, Andohalo 3J, Fiadanana 3L, Tsimialonjafy, Madera Namontana, 3G3M Andrefan’Ambohijanahary, Anosibe Andrefana I, Ilanivato, Ampasika, Anosizato atsinanana I, Ankazotoha, Anosimahavelona, Ambolaniray, Anosibe Ambohibarikely, Andavamamba Ambilanibe fa noho ny tsindry atao amin’izy ireo sy ny ramatahora rehefa tsy mety hanaraka baiko araka ny nambaran’ireo kandida sasany dia nahato tamin’ny asa maha sefo fokontany azy izy ireo ary antony nitovy daholo no nanesorana azy ireo. Milaza nefa, hoy izy ireo, fa tokony tsy hitanila ny sefo fokontany. Izany mihitsy tokoa anefa izahay nandritry ny fotoana nitantanana ny fokontany. Nametraka fitarainana teny amin’ny fitsarana administratifa na fitsarana miady amin’ny fanjakana izahay, araka ny andininy faha 69 ao amin’ny fehezan-dalàna 2001-025 tamin’ny 9 aprily 2003. Nahaton’ny fitsarana noho izany ny didim-pitondrana nampiatoana anay mandra-pahatonga ny fotoana amoahan’io fitsarana io ny valin’ny fangatahana ary manohy ny asa hatrany aloha izahay. Taorian’ny fahazoanay izany taratasy famerenana hiasa izany dia nametraka izany taratasy izany teny anivon’ny prefektioran’Antananarivo izahay. Hiasa ho an’ny vahoaka no nametrahana anay eo. Mila filaminana sy fitoniana ny vahoaka, hoy hatrany ireto sefo fokontany nesorina tanaty akatoky ny fifidianana ireto ary nanamafy fa naverin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana hiasa izy ireo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT