Politique

Tambin-karaman’ireo Filoham-pokontany 12 volana tsy naloan’ny minisiteran’ny Atitany


  • Alatsinainy 28 Desambra 2015

Feno 12 volana ny tambin-karaman’ireo filoham-pokontany ao Toamasina tsy naloan’ny minisiteran’ny Atitany. Raha atambatra izany ho an’ireo fokontany 138 sy ny filoha ary ny lefiny dia mahatratra 74.520.000 Ariary.

 

Tokony handray 30.000 Ariary isam-bolana ny filoham-pokontany, raha 15.000 Ariary isam-bolana kosa ho an’ny lefiny. Hatreto dia tsy misy aloha ny fe-potoana nomen’ny minisitera handoavana io karama io. Ny hany voarain’ireo sefom-pokontany sy ny lefiny dia tambiny efa-bolana tavela ny taona 2014 izay nomena nanambazana azy ireo hikarakara ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny Kaominina natao tamin’ny 31 jolay 2015. Mitaky io zony tsy azo io ireto filoham-pokontany sy ny lefiny ao Toamasina ireto, ka ho hita eo izay hambaran’ny minisitry ny Atitany, izay revo any am-panaovana propagandy fifidianana Loholona, sady mikirakira vola be.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT