Politique

Tambin-karaman`ireo depiote 724 800 000 ariary ao anaty fotoam-pivoriana iray


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Haharitra 12 andro ny fivoriana manokana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena ity.

 

 Tsy maintsy hanefa ny tambin-karama 400 000 ariary isan’andro isaky ny depiote ny etsy amin`ny lapan`i Tsimbazaza mandritra ity fotoam-pivoriana. Raha atao ny kajikajy tsotsotra amin`ireo depiote miisa 151, dia mitentina 724 800 000 ariary ny vola atokana ho amin`izany.   Ankoatra ny fahefana sy ny voninahitra, maro be ny kandidà no mitady tombontsoa mivaingana mifandraika amin’ny asan’ny solombavambahoaka. Satria hoe manompo ny Fanjakana sy ny vahoaka izy, dia misy tombontsoa tsy hita noanoa misy sasantsasany takontakonana. Ny karamany isam-bolana dia 3.000.000 Ar. Manampy izany ny 3.000.000 Ar isam-bolana ho solon’ny solika, ary 200.000 Ar ho fahan’ny telefona. Miampy mpanampy ny solombavambahoaka ka 5 ho an’ny solombavambahoaka tsirairay. Raha mamita iraka eto an-toerana izy, ny volan’ny hotely dia tafakatra 65.000 Ar isan’andro, ary tsy fantatra izay omena azy raha mivoaka any ivelany izy. Marihina fa ny SEFAFI no namoaka ireo antontanisa ireo.  Ary fanta-bahoaka koa ny fangatahany sesilany, tonga hatrany amin’ny fitakiana vola ho takalon’ny fandanian’ny Antenimiera ny lalàna, ny fitakiana 4X4 ho an’ny solombavambahoaka tsirairay. Tsy tenenina intsony ny tombontsoa hafa maro isan-karazany sy miafinafina. Azo hitarina 12 andro indray io fotoam-pivoriana io raha toa ka tsy misy zavatra tapaka.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT