Politique

Tale jeneralin’ny fampandrosoana lovain-jafy Vao voatendry dia mipongatra ny dosie tany aloha


  • Zoma 13 Janoary 2023

Fahita matetika ao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny fanapahan-kevitra manala sy manendry tompon’andraikitra ambony iray.

Tao anatin’ny filankevitry ny minisitra afak’omaly 12 janoary 2023, isan’ny noraisina ny didim-panjakana nanafoana didim-panjakana laharana 2021-562 tamin’ny 19 may 2022, ary manendry Tale Jeneraly vaovaon’ny Fandrosoana lovain-jafy eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Ho fanajana ilay olona dia tsy hosoratana eto ilay tompon’andraikitra vaovao, fa kosa nisy ny raharaham-pitantanana tsy nilamina nahasaringotra azy io, fony izy Tale Jeneralin’ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny siramamy (CMCS) ka izay nipongatra taorian’ny fanendrena azy amin’ny andraikitra ambony vaovao. Nisy fitoriana azy nataon’ny teo anivon’ny amin’ny Minisiteran’ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana, araka ny taratasy tamin’ny 19 novambra 2018. Tompon’andraikitra roa hafa no niaraka voatory taminy, ka ny azy dia resaka vola niditra izay niteraka fahadisoana momba ny fitantanana ka nanalana taminy CMCS amin’ny maha mpanalalana azy. Nosaziana handoa lamandy mitentina 2,8 tapitrisa noho ny fanaovana sy fahadisoam-pitantanana, araka ny fitsarana tsy ampahibemaso tamin’ny 22 oktobra 2019.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT