Nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, ny Tale jeneraly vaovao hiandraikitra ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly na ny BIANCO,Atoa Andrianirina Laza Eric Donat, omaly tolakandro.
Manoloana ireo mety ho sakantsakana sy manoloana ny hasarotry ny asa miandry azy dia nankahery azy ny praiminisitra, mba hahavitany an-tsakany sy an-davany ny andraikitra nankinina taminy. Nanome toky i Andrianirina Laza Eric Donat fa hanatanteraka amin-kitsim-po ny adidy sahaniny ka tsy handiso fanantenana an’ireo izay manantena ny mba hampihena amin’ny ambongadiny ny kolikoly misy eto amin’ny firenena, satria izay no nanendrena azy. Tsara ny mampahatsiahy fa ankoatr’ireo sehatra hafa nosahaniny, dia mpikambana feno ao amin’ny Akademia Malagasy ity Tale jeneraly vaovaon’ny Bianco ity, ary filoha lefitry ny sampana Haifomba sy Haifitondra. Raha ny filaharantsika amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao, dia ratsy dia ratsy satria faha-152 amin’ny firenena 180 i Madagasikara. Ny olona manana fahefana no lohalaharana amin’ny kolikoly eto, ka ahitana azy betsaka ny resaka tsenan’asam-panjakana. Vola hatrany amin’ny 8,8 miliara ariary, ohatra, no voalazan’ny tatitra fa voahodinkodina tamina minisitera 25 ny taona 2017 ka dosie 222 no eny am-pelatanan’ny Bianco.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.