Voaantso in-droa miantaona teny amin’ny zandary teny amin’ny toby Ratsimandrava omaly ny tale jeneralin’ny haino aman-jery Viva Ando Parson .
Tsy mbola nilaza mazava ny antony niantsoana azy ny zandary saingy tsiliantsofina no nandrenesana fa nisy nifandraisany tamin’ilay valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly nataon’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Mahazoasy Freddie ity raharaha ity.Nitaraina ho voasoloky anarana momba ny raharaha baoderozy sy fakana vola tamina mpandraharaha tany Antalaha tany ity solombavambahoaka ity; ary re ihany koa omaly fa misy ifandraisany amina raharaha boaderôzy tany Antalaha no antony nihainoana sy nakana am-bavany ny tale jeneralin’ny Viva teny amin’ny zandary.Voatonotonona ho nanasonia “ordre de mission” hosoka izy tao anatin’izany rehetra izany.Ny 24 desambra lasa no nisy olona 4 nandeha fiaramanidina manokana nigadona tao Antalaha ary nilaza fa voairaka hitsirika sy hisava ireo tahirina boaderozy ; nitondra taratasy misy sonian’ny filohan’ny antemieram-pirenena izy ireo, nandà mafy anefa ity farany fa tsy misy idirany mihitsy izao resaka izao.Noho ny fihetsika mampiahiahy moa dia nosamborina avy hatrany ireto olona 4 tany Antalaha ireto ary teo no nanomboka ny fanadihadiana.Mipetraka eto ny fanontaniana :tena misy idiran’i Ando Parson tokoa ve ity raharaha hazo sarobidy tany Antalaha ity ka niantsoan’ny zandary azy sa afera inona no hakana am-bavany azy.Efa fantatra mantsy fa tsy misy idiran’ny haino aman-jery Viva fa tena zavatra hafa mihitsy no hanadihadiana ny tale jeneraliny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.