Talatan’i Volonondry

Manohitra ny fanatsimbadihana voka-pifidianana


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Nisy omaly ny fanambarana nataon’ny kandida Toky Rakotondrazaka notronin’ny vahoaka tao Talatan’i Vonolondry.

Noho ny fitsimbadihan'ny vokam-pifidianana navoakan'ny CENI ny alakamisy lasa teo amin'ny vokatra navoakan'ny SRMV sy ny vokatra voahangonay tamin'ny alalan'ny fitanana an-tsoratra na PV, dia takian’izy ireo ny : hisian'ny fanazavana ny amin'ny nahafahan'ny CENI nanova ny voka-pifidianana teto amin'ny kaominina Talata Volonondry sy ireo andinin-dalàna nahafahany nanao izany ; ny famerenana ny fanisam-bato eo anivon'ny fitsarana miady amin'ny fanjakana hahafahana mamoaka ny vokatra tena izy. Ampatsiahivina fa mitovy ny vokatra navoakan'ny SRMV sy ny CEC ary ny PV eto am-pelatananay izay samy manaporofo ny fandresen'ny kandida natolotry ny Tiako I Madagasikara : Rakotondrazaka Toky kanefa rehefa namoaka ny CENI dia lasa ny kandidan'ny IRMAR indray no mitarika. Efa tafapetraka ny fiarovan-tena sy ny fametrahana fitoriana tamin'ireo tsy fanarahan-dalàna marobe nataon'ny kandida mpifanandrina ka miantso sy mahatoky ny fitsarana mahefa izahay hanao ny asany am-pahamarinana mba ivoahan'ny marina sy hampanjaka ny tena safidim-bahoaka , hoy ny fanambarana. Hahazo rariny eo anatrehan’ny amboletra sy tery vay manta ve ny kandida ao Talatan’i Volonondry sy ny vahoaka naneho ny safidiny ? Ity kaominina ity izay toerana hanombohan’ilay tetikasan’ny fitondrana dia ny « autoroute » kanefa olona avy amin’ny fanoherana no nofidian’ny vahoaka ka natsimbadika ny vokatra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT