Talata Volonondry

Misy mitetika hanala ny ben’ny tanàna…


  • Talata 20 Mey 2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

fikasàna hanala ny ben'ny tanàna, Toky Rakotondrazaka, haparitak'ireo mpanaradia ny mpifaninana aminy dia nampahatsiahy ireo vahoaka mpiaradia amin’ity ben’ny tanàna ity omaly fa efa vita «passation de service» na fifamindram-pahefàna, efa vita «investiture» na fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 febroary 2025 lasa teo ity ben’ny tanàna ity. Izahay vahoaka ety ifotony dia mijoro ary miteny fa matoa izy voafidim-bahoaka dia maro be ireo vahoaka manohana sy nifidy azy, hoy ny fanambaràn’ireo solontenan’ny vahoaka manohana ity ben’ny tanàna ity. Vao 3 volana monja dia efa azo tsapain-tanana ireo asa nataony toy ny lalan’Avaratsena, Ambolo, «Dalle» sy lalana eo tampon-tanàna, fanamboarana tetezana sy fanasan-damba, barazy eny Ankonabe, fahazoana famatsiam-bola sahady avy any amin'ny ambasadin’i Alemanina momba ny fametrahana rano fisotro madio ao amin'ny fokontany Andranotsimihozo. Ankoatran'izay ny fanatanterahana asa sosialy sy ny fanomezan-danja ny vehivavy sy ny tanora ary ny tantsaha ka tena nakotroka ny fankalazana ny 8 marsa farany teo. Efa mandeha ihany koa ny «réhabilitation» an’ny EPP Talata sy EPP Avaratsena. Izy ihany koa dia efa nanambara fa ben'ny tanànan'ny vahoaka rehetra ary hiara-hiasa amin'ny rehetra, indrindra fa ny fitondram-panjakana, mba ho tombotsoan'ny tanàna nihaviany. Manoloana izany dia miantso ny fitondram-panjakana sy ny «Conseil d'État» na filàn-kevim-panjakàna izahay ny hijerena akaiky ny raharaha Talata Volonondry satria dia tena voafidy ara-dalàna izy ary nandresy mazava kanefa dia aelin'ireo mpanaradian’ny mpifaninana aminy fa azy ny fahefana ka ho esorina amin'ny toerany ny ben'ny tanàna. Matoky tanteraka ny fitsaràna sy ny fitondram-panjakàna, araka izany, izahay mponina ety ifotony, hoy hatrany ity fanambaràna ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT