Takelaka ho an’ny propagandy

Nivadika hafatra ara-pitakiana ny any Mananara Avaratra


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Raha mirimorimo fatratra no sady manao fitenenana mandranitra ny kandida laharana fahatelo

manerana ireo toerana izay lalovany hanaovany propagandy nanomboka afak’omaly Talata dia hafakely kosa ny fihetsika nentin’ireo Colletif des candidats namaliana bontana izany tany amin’ny distrikan’i Manarara Avaratra. Anisan’ny nolalovan’izy ireo ny tao amin’ny Faritra Ambatosoa, izay nametrahany hafatra manao hoe : «Hajao ny lalàna, Leo politika maloto, Tsy mila hoentim-bazaha, Leo kolikoly, Mila fifidianana madio, Leo lainga» Ireo soratra ireo izay nataony lehibe tokoa tamin’ny taratasy fotsiny no sady namenoan’izy ireo ny toerana tokony hisy ny sarin’ireo kandida miisa 11 isa izay tohanany. Mitohy moa ny tolona ho azy ireo, izay nambarany fa tsy hijanona raha tsy hahazoam-bokatra mahomby toy ny hataon’ireo kandida miisa 11 eto Antananarivo renivohitra.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT