Tafapetraka avokoa ireo rafitra samihafa hoenti-manodina ny Antenimierampirenena.
Tafapetraka farany omaly ireo Filoham-baomiera miisa 32, izay iray monja voafaritry ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana no azon’ny mpanohitra, dia vaomieran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa. Isan’ny fanovana manamarika azy amin’izao ny momba ny fahafahan’ny solombavambahoaka manao tatitra, izay noferana ho any amin’ny distrika nahalany azy ihany. Tombanana avy hatrany ho kajy politika hifehezana ireo depiote io rehefa nandeha ny hetsika politika samihafa teto Madagasikara, raha tsy hilaza afatsy ny raharaha « Depiote 73 » tamin’ny aprily 2018, izay niarahan’ny TIM sy ny TGV teny amin’ny kianjan’ny 13 mey niara-nandrodana ny Fanjakana Rajaonarimampianina, izay ny governemanta no niongana nialohan’ny fifidianana, ka nidirana tamin’ny fiaraha-mitantana. Tahaka izany ihany koa ny fihetsika nataon’ny « Mihava Tour » niara-dàlana tamin’i Siteny Randrianasoloniaiko nitety faritra nialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena, ary nandeha ny fitanisana nanerana ny Nosy ny tsy fahombiazan’ny governemanta. Nisy ihany koa ireo hetsika politika samihafa nahitana ireo depiote, ka nahatonga ny Minisitry ny atitany izay lasa Filohan’ny Antenimierampirenena ankehitriny io, namoaka ilay didy nametra ny fahafahana mamory vahoaka ara-politika an-kalamanjana nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena,… Tahaka izany ihany koa ny hetsika samihafa nataon’ireo depiote avy amin’ny fanoherana, toy ny tamin’ireny diabe nataon’ny Collectif des candidats ireny. Dia io ny sary mitranga eo anivon’ny Antenimierampirenena izay ny IRMAR moa no manao ny mafana sy ny mangatsiaka. Ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-69, dia mazava tsara ny famaritana ao amin’ny tapany fahatelo farany hoe : « Ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena dia antsoina hoe : « Solombavambahoakan’i Madagasikara » » ka dia hodiana adala izany io. Ny lalàna atao eto rahateo, dia tsy ho ana distrika iray na faritra iray. Voafaritry ny lalàna ihany koa, fa iray volana aorian’ny fanendrena azy no manolotra ny PGE na Programa Ankampoben’ny Fanjakana ny Praiminisitra, izay manana ny lanja nasionaly ihany koa, ka raha hiteny na haneho hevitra mikasika izany, dia heverina fa tokony hivelatra sy azo atao na aiza na aiza. Horaisina ho fitsabahana amin’ny aferan’ny distrika iray ihany koa ve ohatra, raha misy zavatra mahakasika faritra na distrika iray ka hiteny ny depiote hafa ivelan’ilay fari-piadidiana? Andeha handray ohatra hoe : misy bolana ny orinasa Base Toliara, izay misy hidiran’ny ara-pamoron’asa, ara-tontolo iainana,… ka raha hisy hiteny sy hanatsikafona ny maha mety na maha tsy mety an’ireny dia ahoana ? Rehefa zohiana, toa mamofompofona fifehezana ara-politika, tahotra ny mety ho fisiana famondronan-kery toy ny fidinana an-dalambe tarihin’ireo olom-boafidy mitovy fijery,… Tamin’ny 2018 anefa nampiasaina hatramin’ny vatam-paty nentina nanimbazimbana ny Filoha tamin’izany hoe : « Veloma Rajao » !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.