Politique

Tahotra an-dRavalomanana Manao adim-borontsiloza ny mpitondra


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Mihazakazaka ny toe-draharaha, lasa tantara mitohy ary tsy hifarana ato ho ato ilay fifanolanan’ny fanjakana sy Atoa Marc Ravalomanana amin’ny fananganana ilay labatoara manara-penitra eny Andohatapenaka.

 

 


Nampitandrina

Taorian’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao dia niaka-pofona koa omaly ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Jean Ravelonarivo. Nampitandrina an’Atoa Ravalomanana izy ary nilaza fa :   « tany manan-tompo io toerana io ka tsy ho azo bodoina fotsiny amin’izao. Tany misy lalàna ity tany  misy antsika ity ka tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Ho an’izay minia mandika izany  moa dia ny fampiharana ny     lalàna no anjaranay”.Nifoha tamin’ny torimasony koa ny minisitry ny fiompiana Anthèlme Ramparany, omaly ihany io ka nilaza an-kitsirano izao fa tsy mety hanorenana labatoara eo Andohatapenaka, na dia efa niarahan’ny rehetra nahita izao aza fa nisy labatoara niasa teo am-polony taona fa tsy hoe tetikasa vaovao be vao noforonina io. Rehefa nandinika ny teknisianina dia tsy mety hananganana toerana famonoan’omby eo, hoy izy. Nolazainy fa efa misy ihany koa ny vinavina hiara-kiasa amina mpandraharaha amin’ny resaka fiompiana omby atao sakafon’ireo vahiny amin’ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia amin’ny 2016.


Filam-baniny

Ny minisitra Rivo Rakotovao moa dia mbola nanantitrantitra tamin’ny teny somary mahery ihany omaly fa efa misy ny tetikasa goavana ilàna io tany io ka tsy misy hevitra izany fanorenana labatoara eo izany.Tena mahagaga fa tsy nisy resaka mihitsy hatry ny ela io hoe tetikasa hanangana trano eny Andohatapenaka io na dia efa hatramin’ny 2014 aza no fantatra fa handray io fivoriana io i Madagasikara.Ankilan’izay efa namboarina tsara ary nandaniana vola be ny hotely kintana 5 eny Ivato handraisana ireo vahiny, eo ihany koa ny Le Paon d’Or eny akaiky eny ihany, miampy ireo hotely 3 goavana izay samy kintana 5 eto an-drenivohitra dia ny Ibis (Ankorondrano), Colbert(Antaninarenina ary Carton (Anosy) ka inona indray no mbola aorina eny Andohatapenaka ? Ny manaitra ny mpanara-baovao amin’ity tantara ity dia ny fihetsiky ny fanjakana toa malaina ny hampiana kanefa ny hoenti-manana tsy misy akory. Fa angaha moa efa nilaza i Dada fa tsy hanaraka ny fepetra izay misy sa mialona azy ?   Miantso  fiaraha-miasa amin’ny mpiray tanindrazana ny mpitondra kanefa rehefa ampiana toa malaina indray. Fa matahotra inona ny mpitondra  no manao tambabe sy adim-borontsiloza amin’i Marc Ravalomanana tahaka izao ? Ny fiatrehana ny fifidianana ho  filoham-pirenena amin’ny 2018 ve sa inona ? Fantatra fa haneho ny heviny momba ity raharaha mafampana ity anio Atoa Marc Ravalomanana, izay efa fantatry ny maro fa olona tena sahy ary tsy hipetra-potsiny manoloana ny antsojay atao aminy.


RTT/Andry Ratovo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT