Tahina Razafinjoelina

"Tsy maintsy miomana isika, aza manaiky ho resin'ny tahotra"


  • Zoma 15 Septambra 2023

Tafahoana tamin'ny kandida maromaro, kanefa ohatran'ny tsy resy lahatra. Ady sy tsy fifankahazoana foana no ohatran'ny zavatra nisy teto, ka tsy mety intsony.

Efa niresaka tamin'ny vady aman-janaka ka raha misy ny sanatria sanatria, ny ratsy indrindra dia mihatra aman'aina, ny antonontoniny miditra am-ponja, ary ny tsara indrindra dia ho banky tanteraka ireo asa aman-draharaha iandraketan'ny tena,... Ady ho an'ny Firenena ity, ka tsy tokony hatahotra satria io tahotra io no rivotra alefa amin'izao. Ampitahorina isika, misy tsaho mandeha ohatra hoe: misy basy efa vonona any ho any, misy kommando,... Ny ao ambadik'ireny dia tokana ihany hoentina manao fandemen-tsaina hoe: na inona na inona safidinareo, dia miomana fa handresy izahay, ka izay no ivoahan'ilay tahotra, hoy ny Kandidan'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina. Izay no mahatonga ny olona mifidy fa hoe efa fantatra ny valiny ka "tsia" ka tsy tokony ho resin'ireny, hoy hatrany izy. Naneho moa ny tenany fa tsy maintsy miomana amin'ny zavatra rehetra, anatin'ireo kandida nanasonia ahafahana mahazo izay fomba tsara indrindra ahafahana mitantana ny fifidianana, izay tsy midika hoe lanitra. Aminy rahateo raha hidina andalam-be mety faty olona satria tsy hanaiky ny ankilany, haka fahefana ara-miaramila mety ho krizy sy ady ady an-trano,... Tsy maintsy miomana ihany koa satria raha nandeha ny resaka zom-pirenena dia nodiana fanina, ny taratasy milaza fa tsy afaka mandray fitondrana ny Filohan'ny Antenimierandoholona mbola tsy hitantsika hatramin'izao,... Ny lalampanorenana anefa milaza fa matoa tsy afaka mandray dia na manana tsy fahasalamana ara-batana na ara-tsaina. Tsy maintsy miomana satria misy solontenana kandida sasany miteny fa ny azy "1er tour" ka maheno izany ilay olona dia vao mainka tsy mifidy, tsy mandray ny andraikiny, fa ny fahakiviana ve efa tonga tamina fandrosoana? hoy i Tahina Razafinjoelina. Nanamafy izy noho izany fa mila vonona amin'ny lafiny rehetra, tsy tokony hanaiky ho resin'ny ratsy sy ny fandemen-tsaina fa mila fiaraha-mientana ho an'ny Firenena, araka ilay hoe: miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia. Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT