Tahina Razafinjoelina

«Tsy fifaninanana ho an’ny voninahitra fa fifanampiana mampandroso »


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Mila fiarahamonina miova sy fiarahamonina mifanampy isika, hoy ny filohan’ny vovonana politika FTT

na Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana sady filohan’ny antoko politika Tia tanindrazana, Tahina Razafinjoelina. Ny olombelona, hoy izy, rehefa tena te handroso dia tsy maintsy mifanampy. Ny atao hoe firenena mahavelontena dia mandeha tsikelikely io. Mihena aloha ny fanafarana. Tsy maintsy ahena io dia hampitomboina ny harena anatiny.
TSY AMPY NY FINIAVANA POLITIKA
Rehefa mandeha ny fotoana vao hoe foana ny fanafarana. Rehefa tena mandroso vao hoe manomboka manondrana amin’izay. Tsy maintsy misy dingana maromaro hatrehina raha te ahita vokatra azo tsapain-tanana. Tena ampy ireo malagasy misy amin’izao ireo amin’ny toe-tsainy, ny toe-panahiny, amin’ny efa nambarako hoe Kristianina, ary amin’ny vatana, amin’ny efa nambarako koa hoe asa tanana. Ny asa fambolena tsy misy masinina, tsy misy na inona na inona fa mahavita mamokatra ihany isika na dia eo aza ny tsy fandrosoana amin’ny lafiny fitaovana eo amin’ny indostria. Ny fanahy, ny saina, ny vatana ampy fa ny tsy ampy izany dia ny finiavana politika. Miresaka isika hoe «niveau T3» isika nefa isika firenena faharoa maneran-tany mampiasa ny atao hoe «Mobile money». Kenya no voalohany. Madagasikara no faharoa. Mampiasa «Mobile money» daholo ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra ireo. Hatraiza izany ilay hakingan-tsaintsika malagasy? Tsy sakana, noho izany, ny hoe tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny atsasa-manila na T3 no fara-fahatakarana satria kinga saina isika.
KINGA SAINA NY MALAGASY
Mitety firenena maro aho amin’ny fampianarana sy asa iandraiketako fa vitsy ny firenena hitako manana hakingan-tsaina toy ny an’ny malagasy. Maneran-tany mihitsy io fa tsy hoe afrikanina. Misy tovolahy kely, isany mahavelom-bolo izao, Noa no anarany, 14 taona izy manao lalao Echec, miara-miasa amintsika, izany hoe ampiana fa rehefa manao ireny fifaninanana iraisampirenena ireny izy dia faha 3. Ahoana no mahatonga zaza 14 taona toy izany nefa mbola tsy hoe eny amin’ny oniversite akory io? Faha 3 izy eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Okrainianina angamba izy izay no faharoa. Mahavariana fa kinga saina isika malagasy.
ILAOZANTSIKA MIFANINANA!
Ilaozantsika mifaninana fa tsy mifanampy! Eo ilay teneniko hoe heloky ny politika. Anjaran’ny mpanao politika no mampitambatra ny malagasy. Politika famotehana no misy amin’izao dia ny hoe andao izay olona sahirankirana atao tsy mifankahazo amin’izay olona antonontonony! Lasa mizara mihitsy izao ny fiarahamonina malagasy hoe ianareo miseho mahitahita, ianareo miseho manana! Izahay sahirana, izahay ambany tanàna! Lasa mifandrafy ilay malagasy. Ianareo nahita fianarana, izahay tsy nahita fianarana. Lasa zaraina mihitsy, ankoatran’ny resaka fihaviana, ilay malagasy. Politika no amahana izany. Tsy maintsy ampianarina ny malagasy tsy hifandrafy fa raha mitambatra isika, tena miteny anareo aho! Andao tsy hifaninana! Andao tsy hifankahala! Andao hiara-hiasa! Tsy lasan’ny vahiny toy izao ny harenantsika. Mahantra isika! Tsy afa-miasa irery amin’ny harenany no dikan’izany. Rehefa mahantra ianao izany dia mila manana mahantra maromaro vao mety mba manana ilay fiharian-karena Ilay mahantra maromaro na hoe isika malagasy maromaro ve nefa vonona hiara-hiasa? Mahita ny fiarahamonina ankehitriny isika fa vitsy kely izany malagasy miara-miasa izany. Andao hanangana zavatra miaraka! Mahita tsara nefa isika fa ny ankamaroan’ireo mpivarotra ao Tsaralalàna ireo, izy no eo amin’ny tsena, fianakaviany no eo amin’ny fandraisam-bola na «caisse», fianakaviany koa no any amin’ny fanatobiana entana. Politika no ahafahana mamerina izany malagasy mifamelona izany. Anaty fanabeazana daholo izany, any anaty politika, anaty rafi-panabeazana izany. Tena zava-dehibe izany. Izaho rehefa mampianatra dia tsy azo asiana mpiambina ny mpianatro ary tsy maintsy mifampiresaka sy mifanoro. Hajanona amin’izay izany ity hoe voalohany, faharoa, fahatelo any amin’ny fanabeazana ity fa manimba be ny malagasy. Mifaninana dieny mbola kely isika dia lasa voninahitry ny fianakaviana ny hoe ny zanakay voalohany, ny zanakay izao. Ny ataon’ilay faharoa dia mivavaka fotsiny hoe enga anie ka harary io voalohany io! Ilay fahatelo mivavaka fotsiny hahasongona ilay faharoa. Dieny mbola kely izany isika dia nampianarina hifaninana. Kolontsaina napetraky ny fanjanahana izany, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT