TAHINA RAZAFINJOELINA

Tsy fanajana ny zo fototra ny fitsikilovana ny fiainan'ny olona manokana


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Volabe 14 tapitrisa euro na 70 miliara ariary eo ho eo no nividianan'ny fanjakana Malagasy ilay Logiciel Predator,

izay ahafahana mitsirika sy mitsikilo ny ao anaty finday sy ny solosaina .Fandikàna tsotra izao ny zo fototra dia ny fahalalahan'ny isam-batan'olona hanana fiainana manokana izany hoy ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina teny Antsonjombe ny sabotsy teo.

TARATASY AVY ANY AMIN'NY FITSARANA
Raha toa ka misy jiolahy na olona ahiahiana fa miketrika zavatra ratsy, na mpanao asa fampiorohoroana dia tsy maintsy hangatahana alalana any amin'ny fitsarana aloha ny fitsikilovana azy.

MILA FANADIHADIANA
Sokafy ny fanadihadiana parlemantera hoy i Tahina Razafinjoelina momba ny namohana volabe nividianana ity Logiciel Predator ity.Moa ve tena ny vokatsoa azo refesina tsara avy amin'ilay izy Izany tokoa ve no laharampahamehana handaniana volam-panjakana izay volam-bahoaka amin'izao fahasahiranana iainan'ny firenena izao.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT