Tahina Razafinjoelina

« Tandremo ny « populisme » ! Tsy


  • Zoma 24 Oktobra 2025

fandravana no vahaolana fa fanatsarana !»

Tandremo re ny populisme e ! Izay aho vao hiteny fa sao hanimba antsika tahaka ny velirano, vary tsinjo, ifotony, boky mena… ity rafitra rafitra resahana ity. Mety hisy ho sorena ianareo fa ny marina marina foana. », hoy i Tahina Razafinjoelina omaly raha naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena. Nandray ohatra izy, fa raha misy tohana eto Antananarivo, aza simbaina daholo ny lalana fa jereo ny antony dia vahao ny olana. Tsy ny fandravàna no vaha olana fa ny fanatsarana satria tsy manam-bola amin’izany ny fanjakana. Raha maditra ny zanaka, aza vonoina ho faty ka hoe hiteraka hafa indray, fa jereo ny antony dia ampianaro izy hivoatra. Sarotra dia sarotra, hoy izy, ny fahombiazan'izany mamerina hatramin'ny voalohany izany noho ny manatsara. Andao raisina izay tsara sy ratsy dia atsaraina fa tsy hoe ratsy avokoa. « Mamerina hatrany izahay fa ny fanjanahan-tsaina no tena nanimba antsika, ka fanabeazana no fototry ny vaha olana. Tsy fanajàna lalàna no olana ka ny mangarahara (nomerika) no vahaolana haingana sy maharitra hiadiana amin’ny kolikoly. Fahantran’ny tontolo ambany vohitra no tsy ahafahana mamokatra ka ny fitsinjaram-bolam-panjakana any amin’ny faritra no vaha olana. », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Aminy, tsy misy afa-tsy ny fifidianana madio no ahenoina ny feon’ny rehetra. Raha maniry hampiditra ireo tangalamena sy Ray aman-dReny eo an-tanàna dia aleo izy hanampy ny olona hisafidy izay olo-marina fa tsy hoe hamoronana seza maro be ao amin’ ny fanjakana nefa ny karaman’ny mpampianatra FRAM ary tsy voaloha! « Populisme » aminay rehefa mampanantena lanitra nefa tsy mahafehy ny vola am-pelantanana. Izany foana no nahavoa antsika efa hatramin’ny 1972, 1991, 2009… hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT