Miondrika am-panajana manoloana ireo
izay namoy ny ainy ny tenako ary eto aho no hisaotra ireo mpitandron'ny filaminana. Marina fa nisy ny lavo ary mankahery indrindra araka ny teny voalaza etsy ambony, fa kosa, hainareo ny nanajanona haingana ny saika fifampitifirana izay saika niteraka rà mandriaka teto Madagasikara. Mirary fahasitranana ho an'ireo naratra, mankahery ireo mpiray tanindrazana, mahatoky isika fa handray ny andraikiny araka ny lalàna ireo tandrify izany. Faly izahay manana anareo ary mino izahay fa mitovy ny fijeritsika dia ny hapanjaka ny marina eto Madagasikara. », hoy i Tahina Razafinjoelina omaly, raha naneho hevitra sy nitondra hafatra eo anatrehan’ny toe-draharaha ankehitriny. Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa Izy no tompon'ny voninahitra, misaotra ihany koa anareo tanora sy ianareo tsy manaiky lembenenana ary ny fiaraha-mientana rehetra, hoy hatrany izy. Mikasika ny tohin’ny raharaham-pirenena, nitondra soso-kevitra misy teboka 5 izy : mbola mitohy ny tolona fa tsy mahazo matoritory manan-draharaha; miezaka mijanona anaty lalampanorenana fa tsy ho zakan’ny ekonomia Malagasy raha mbola hitotongana 7000 na 8000 ar ny vola vahiny. Azo atao tsara izany tahaka ny niseho nandritry ny hetsika 2023 dia tsy nisy filoha ary nodinganina ny filohan'ny Antenimierandoholona fa praiministra no nitondra ny firenena, hoy hatrany izy. Manampy izany ny fanadiovana tanteraka ny fifidianana (CENI, HCC, lalàm-pifidianana...), fa io no fototry ny tsy fanarahan-dalàna rehetra nisy teto amintsika. Misy halatra satria mamerim-bola lany, gadra politika : satria tsy lany tsara dia mihozongozona dia mampiasa ny fitsarana ho fitaovana…Teboka fahaefatra nentiny ny hoe : izay olona hitondra na hitarika eo (tetezamita) dia tsy mahazo milatsaka ho fidiana na izy na ny antoko izay misy azy mba tsy hisian'ny fitongilanana any aoriana. Mila olon-dehibe (mihoatra ny 60 taona ho eken'ny rehetra), madio tanana, marina ary olon'ny filaminana (apaisement), tsy olona maniry fitondrana mafy ka hijanona eo mandritry ny fotoana tsy voafetra, na koa hamaly faty, na hangalatra sy hameno paosy, fa olon-dehibe ho eken'ny rehetra ary hitondra fifidianana madio izay fototry ny fandrosoana ho an'ny firenena. Teboka fahadimy farany kosa ny nilazany fa mila fitoniana : mivoaka avokoa ireo gadra politika tsy ankanavaka fa Madagasikara dia firenen’ny Fihavanana, hoy i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.