Tahina Razafinjoelina

"Mila mijoro ny tanora"


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Tsotra marina mahoby.Izay no teny filamitry ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana (FTT)

ary mazava tsara ny hafatry ny filoha nasionaly Tahina Razafinjoelina tany Toamasina ny faran'ny herinandro teo : ny tanora no lakile, ny tanora no fanalahidin'ny fampandrosoana hoy izy. Mila mijoro sy mandray andraikitra ary tonga mifidy ny tanora amin'ny 29 mey ho avy io, amin'ny fifidianana solombavambahoaka, hoy izy. Tena diso ilay fiheverana hoe na mifidy izahay na tsy mifidy dia efa ry zareo ihany no ho lany eo.Aleo tsy manao an'izany fa tonga foana manefa ny adidy amin'ny maha olom-pirenena.Rehefa maro be no tonga mifidy isika dia sarotra ny mangala-bato, ho an'ireo mpanao an'izany hoy i Tahina Razafinjoelina.Fantany tsara ny zavatra resahany satria mampianatra mpikaroka, mampianatra ny taranja matematika sy informatika efa ho 20 taona izao ny tenany. Azo atao tsara ny manova, araka ilay teny filamatry ny Kôlekitifa an'ny Malagasy misy ny FTT ka atomboka amin'io fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024 io izany. Tsy mety ny kivy fa aleo mijoro hatrany isika, mandray andraikitra ary mifanohana hoy ny filoha nasionalin'ny FTT.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT