Tahina Razafinjoelina

«Miantso ny tanora tsy ho voavidy vola fa hijoro hanova ny firenena»


  • Talata 14 Novambra 2023

Tao anatin’ny fihaonan’ny Firaisankinan’ny kandida tamin’ny vahoaka teny Itaosy omaly no nanehoan’ny kandida

Tahina Razafinjoelina ny fankasitrahana ny vahoaka noho ny fahasahiana sy fijoroana hatrany ho an’ny firenena na dia teo aza ny herisetra tamin’ny farany. « Eto aho dia mitodika manokana ho an’ny tanora, isika tanora no hanova ity firenena ity ! Aza manaiky hovidivian’ny olona fa isika fa isika no hanova an’ity firenena ity. Aza mba manaiky hovidividiana fa antsika ny firenena » hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina. Naneho fa nahafinaritra ny fotoana ho an’ny omaly, na nisy aza ny fisalasalana sy ny fahatahorana sao hisy indray ny lakrimozenina dia tsy sahy intsony ny ankilany. Nanentana ny rehetra ny tenany, fa misy fomba hafa hanehoana ny tsy fifaliana amin’ity fifidianana tsy manjay. Ny tsy fandehanantsika mifidy mba ahitantsika fa maherin’ny 70% no tsy tonga mifidy, ary ny ety Itaosy aza mety maherin’ny 90% », hoy hatrany ny kandida Tahina Razafinjoelina. Ny sary mitranga ao anatin’izay dia miharihary hatrany ny fifidianana mandringa sy tsy eken’ny rehetra noho ny antony iaraha-mahalala. Midika fa tsy Filoham-pirenena voafidim-bahoaka no lany eo, fa filoha mpanao amboletra sy mpibodo fahefana, manao takalon’aina politika ny vahoaka sy ny Firenena Malagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT