Tahina Razafinjoelina

« Matokisa Malagasy, ajanony ny fampanantenana poakaty »


  • Talata 20 Febroary 2024

Na hitodika amin’ny firenena iza isika na iza dia aza adino

fa ny fitiavantsika sy ny fahalalantsika ny Firenentsika ihany (Olombelona, tany, ranomasina, teny, kolon-tsaina, orinasa,...) no lalan-tokana hahombiazana anaty fanatontoloana », hoy Atoa Tahina Razafinjoelina mikasika ny raharaham-pirenena. Fanehoan-kevitra izay mitodika avy hatrany amin’ny politika tokony hitondrana ny Firenena hoe : na hiara-dia amin’ny Tandrefana na hitodika amin’ny arabo, na hisafidy ny sinoa sy ny namany,… dia tsy any no tena adihevitra sy zava-dehibe hivoahan’ny firenena amin’ny fahantrana sy hahafahany miroso sy mivoatra, fa ny fahaizana mamadika ho fanoitra ny zava-misy ao aminy toy ny olombelona izay harena voalohany ; ny fahalalana sy fahafehezana ny harena eto, ny fanabeazana ny Malagasy miompana amin’izany, ary isika samy isika no mila miara-miasa sy mifampatoky, mifamelona sy mifanampy fa tsy mifamotika,… « Matokisa Malagasy fa tsy hisy tafita eo raha tsy mifampatoky, miara-miasa, izay vao tafita. Miara-dia tokoa vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia. Manentana ny mpitondra mba hamerina indray ny fifampitokisana ka hanajanonana ny fampanantenana poak’aty fa miainga avy aminareo ny ohatra ho an’ireo taranaka ary tsy voatery fitaka ny politika.", hoy hatrany Atoa Tahina Razafinjoelina nanamafy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT