TAHINA RAZAFINJOELINA

« Manana adidy hijoro isika »


  • Zoma 03 Novambra 2023

Matoa izahay nankaty dia fantatray fa tsy maintsy manjaka ny marina .

Manana adidy be isika manoloana ireo manoloana ny zavatra tsy mety eto, ka izao no izy : ianareo tsirairay ireo , ataovy ny « mission ».Alaivo sary izay olona manome vola anareo fa fahotana mahafaty izany amin’ny fifidianana. Mandehana mba mody mankany dia alaivo ilay zavatra , alaivo sary fa tonga dia vita ny afera.Manana adidy isika olo-marina hijoro ka hanafaka ny firenena. Mazava ny antso ataon’ny Vondron’ny kandida eto fa tena tongan y fotoana hijoroan’ny olom-pirenena hanoherana ny tsy rariny sy ny fandikan-dalàna, ka mila porofo izany, mila fandraisana andraikitra. Tsara atao fantatr’ireo zatra lalan-dririnina mpividy safidim-bahoaka ihany koa fa efa fantatra ny paikadiny ary manomboka maro no sahy mijoro hamaky ambatomapy ny afera maizina. Fanairana ny olom-pirenena ihany koa ity hafatra nentin’i Tahina Razafinjoelina omely teny Ambohitrimanjaka ity fa tsy ampy ny mitatitra fotsiny hoe nisy an’izao sy izao fa mia mandray andraikitra manangonm-baovao sy mitondra ny porofo mba hahafahana miady amin’ny tsy marina sy ny tsy rariny, satria sarotra ny manambaka olom-pirenena sahy mijoro mandray andraikitra izany. Ary iono manova ny toetry ny mpitondra sy manampahefana mba tsy hanandra-tena ho andriamanitra kely fa tena miasa mba hanompo vahoaka sy firenena marina.
Nangonin’i RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT