Tahina RAZAFINJOELINA

"Isika izao no fanovàna, vitantsika io, andao hifidy"


  • Alakamisy 31 Oktobra 2024

Azo atao tsara ny mitondra fanovana eto Antananarivo, hoy ny kandida laharana faha 2 Tahina Razafinjoelina

 

tamina horonantsary fohy fanehoan-kevitra nivoaka omaly hariva . Manodidina ny 28% eo ireo tonga nifody teto hoy izy, malaina nifidy ny olona hatrizay satria leo fampanantenana, leo adilahy politika . Leo fifanandrinana eo amin'ny ireo antoko nahazatra hatrizay, hoy izy. Manaitra an'Antananarivo anin'ireo Vina sy Asa izahay, hoy i Tahina Razafinjoelina, ary tena nahatsapa tamin'ny fitetezanay toerana maro teto an-drenivohitra tato ho ato izay fa tena mila rivo-baovao ny olona.Mbola misy 72% n'ireo olona tokony hofody eto Antananarivo renivohitra no tsy nifidy satria angamba miertreritra hoe na inona na inona atao dia ny eo ihany no eo, ny teo aloha ihany no miverina ary tsy mitondra fiovana any amin'ny fiainana akory ilay vato narotsaka. Aoka tsy ho kivy isika hoy ity filoha nasionalin'ny antoko Tia Tanindrazana ity ka ho avy hamita ny adidintsika fa tena isika izao no fanovana. Tsy hisy hampanonofy volana sy lanitra eto fa asa mampivoatra , asa mampandroso ny antsika hoy izy. Farany dia niantso ny rehetra mba tsy ho voarebirebin'ny mpamendrofendro izy, tsy misy izany hoe rava ny mpanohitra, na resy ny mpanohitra, na miparitaka izany ny vaton'ny mpanohitra hoy izy fa diniho tsara ny tarehimarika ary ataovy ny kajy. Efa ilay 28 na 30% io no ifampizaran'ireo hery politika mpifanandrina foana hatramin'izay ary voaporofo tamin'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo fa nihena ny vaton'ny antokon'ny fitondrana. Mbola misy ilay ambiny , mety antsoina ihany koa hoe "majorité silencieuse" manodidina ny 70% eto , olom-pirenena afaka mifoha , mijoro sy mandray andraikitra. Vitantsika ny manova, hoy i TR fa mila mazoto mandeha mifidy kosa aloha isika. Aleo mijoro fa rehefa tsy ataonao io na maro be isika no tsy tonga mifidy dia varavarana misokatra mankany amin'ny hosoka sy halabato izany la olona hafa no haka ny zonao, hoy izy.
RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT