Politique

Tahina Razafinjoelina Hitafa mivantana amin’ny mpanao Facebook anio


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Hifanakalo hevitra amin’ny firehana rehetra misy eto amin’ny firenena na azo lazaina koa hoe hitafa mivantana

amin’ny mpanao Facebook izay ahitana hatramin’ireo malaza ho masiaka amin’ny lafiny fanehoan-kevitra mihitsy anio ny kandida ho filoham-pirenena malagasy, Tahina Razafinjoelina. “Fandaharana tsotra hamaliana ny fanontaniana mahaliana anareo” moa no lohatenin’ny fandaharana hanatontosany mivantana na “en live” izany eo amin’ny tambazotran-tserasera Facebook anio 24 aogositra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Azo arahana ao amin’ny onjapeo Top Radio 102.8 FM koa izany, raha ny fandaharam-potoana napetraka hatrany. Teny filamatra napetrany miaraka amin’ny vovonana politika Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT izay manolotra azy moa ny hoe “Tsotra - Mora - Mahomby” ary isan’ny antony namaritana ny anaran’ny fandaharana ho tsotra izany. Tsy voatery ho mpanao gazety araka ny mahazatra foana koa no mitarika ny fanentanana sy fametrahana fanontaniana fa nofidiana hiantsoroka izany ireo antsoina ankehitriny hoe mpampaneno lakolosy na “influenceur” anaty tambazotran-tserasera toa ireo andriambavilanitra mpitondra tsikitsiky sy mpilaza ny zava-misy marina miharo vazivazy eny amin’ny fiarahamonina sy firenena eny dia i Antso Bomartin sy Vonjy Razafintsifa izany. Afaka mametraka fanontaniana daholo koa anefa ireo olompirenena manaraka ity fandaharana tsotra ity ao amin’ny pejy Facebook Tahina Razafinjoelina, araka izay efa nambara tetsy am-boalohany teo hoe na inona na inona firehan-keviny sy fomba fijeriny. Aleo hevitra no voizina fa tsy ady, hoy moa ity kandida ity, raha tsiahivina ny ambetin-dresany. Aoka izay, hoy izy, ny adilahy politika fa tokana ny fahavalo mila resentsika dia ny fahantrana. Haneho koa araka izany ity kandida ity anio fa olon’ny serasera sy fifanakalozana ary misokatra amin’ny fihainoana ny hevitra misy rehetra na avy amin’iza io na avy amin’iza na dia manana ny vahaolana efa arosony ao anatin’ny vina efa voavolavola hatramin’ny taona 2010 aza. Santatra am-bavarano ihany moa izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao, fa mbola hoavy kosa ny manetsabe.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT