Tahina RAZAFINJOELINA

" Hiandry hatramin'ny rahoviana isika ? "


  • Alakamisy 02 Janoary 2025

Nirary soa ny mpiray tanindrazana amin'izao taona vaovao 2025 izao i Tahina Razafinjoelina ,filoha nasionalin'ny Tia Tanindrazana,

kandida ben'ny tanàna teto an-drenivohitra. Ho feno fitahiana ary hitondra fahasalamana sy fahombiazana ho antsika mianakavy anie ity taona ity hoy izy . Andao hibanjina ny ho avy, andao hitazona ny fahamarinana sy ny finoana isika hoy i Tahina R. Manara-baovao hatrany moa ny tenany ary anisan'ireo nihaino ny lahatenin'ny filoham-pirenena ny 31 desambra 2024 lasa teo ka hoy indrindra ny fanehoan-keviny taorian'izay : aoka izay ny toetran-jiolahimboto, raha fantatra fa tsy nety dia andao ahitsy. Raha fantatra fa lainga dia aza ampanantenaina intsony fa tsy mpisoloky akory ny mpanao politika. Tsy ny fahaizana mampanantena tsy misy tompoko no fahaizana politika, fa ny fahaizana mampandroso, hoy i Tahina Razafinjoelina. Niandry aho , hoy izy hoe ho tsinjaraina firy isan-jato any ifotony ny volan'ny fahasalamana sy ny fandriampahalemana ka tsy ho ory fitaovana intsony ireo hopitaly sy ireo mpitandron'ny filaminana amin'ny asany isan'andro. Niandry aho hoe ho tsinjaraina firy isan-jato eny amin'ny tontolo ambanivohitra ny volan'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny asa vaventy ka ahavita irony asa madinika nefa manimba famokarana. Ahavita fampiofanana ka ahafahan'ny tantsaha hamokatra hampihena itony fanafarana lava ka hampiakatra ny sandan'ny ariary. Eny, mbola miandry aho, mbola miandry isika. Fa hatramin'ny rahoviana, hoy i Tahina Razafinjoelina. Nangonin'i RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT