Hivoaka amin’ny fahanginany hatramin’izay i Tahina Razafinjoelina, ka nanambara omaly fa hamoaka ireo
tsiambaratelon’ny fanoherana sy fahantrana eto Madagasikara. Hanao fanambarana manokana rahampitso zoma 22 novambra 2024 amin’ny 9 ora alina, handeha amin’ny haino aman-jery maro. Hamoaka ny tsiambaratelo mikasika ny fanoherana eto Madagasikara, ny fifandraisan’ny fanoherana sy ny fahantrana. Nandritra ny 15 taona izay, aleo avoaka ny maraina fa eritreretiko ho adidiko ihany koa ny mamoaka ny marina, ny zava-misy marina sy miafina ao anatin’ny politika eto Madagasikara, hoy izy omaly. Nanipika kosa i Tahina Razafinjoelina fa tsy hoe : hanao izay hampahazo vahana ny fitondrana. « Zava-marina no horesahako ary ao anatin’izany dia mpiray tsikombakomba ihany koa ny fitondrana, ka hifankahita tsy ho ela isika. Hasehoko sy hoteneniko madio fa hajanona amin’izay ity politika miafinafina lava ity fa aleo aseho hoe : inona no marina ». Tsara ny manamarika, fa nafana ny fanenjehana sy fanasoketana samihafa an’i Tahina Razafinjoelina vao nanomboka fantatra fa kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo. Mandeha ny resaka samihafa fa hatao izay hamotehana azy satria manana ho avy politika, manana vina sy fomba fijery maharesy lahatra ny Malagasy, manam-piniavana hisintona hiakatra ny vahoaka sy ny firenena,… Efa nisy ny fanamarihana nentiny, fa tsy hifanimba samy mpanohitra no tanjony, ary efa naneho izy nanoloana ny kabary fanaratsiana sy fihantsiana nataona solombavambahoaka iray amin’ny tokony hifanajana sy hampiakarana ny lentan’ny fanaovana politika, ka ny vina sy hevitra no ampiadiana, ary tsy olona na antoko no fahavalo fa fahantrana. Mbola nohamafisiny nandritra ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra farany talata teo hoe : « Tsy izahay no nanomboka, fa raha sahy ianareo hifampiresaka amiko dia andao. Raha hifampiteny hoe : iza no tena mpanohitra dia vonona aho, ary andao hifanatrika ? Iza no sahy hifanatrika amiko ? Rehefa tsy sahy dia mipetraha tsara, fa izaho tsy te hifanimba samy mpanohitra, asanareo tantaraina, ny olantsika dia ny zavatra tsy rariny, ny rendrarendra,… ». Notsipihiny fa efa nandefitra, efa niala nenina sy nanantona fa avonavona ny setriny !
SAO MBA MIFAMADIKA ?
Vavolombelon’ny tantara ary mpandray anjara mivantana niainga tany amin’ny taona 1999 i Tahina Razafinjoelina, ary naneho teo anatrehan’ny endrika fanaratsiana samihafa fa mahalala zavatra maro, saingy ho fanajana amin’ny maha Raiamandreny dia nangina. Toa arakaraka izany no mampihazakazaka ny fanenjehana azy. Vao ny talata lasa teo no nanehoany, fa betsaka ny fanohanana nentiny tamin’ireo heverina fa mpiara-dalana hatramin’izay mba ho vahaolan’ny firenena, ary na ny vola ampiasainy amin’izao firotsahan-kofidiany ben’ny tanàna izao aza kely. « … Matoa tonga amin’ny toerana iray ny fifandraisana iray dia izay ny sitrany. Misy zavatra miseho eo, miezaka manao ny tsara, fa raha mihoatra amin’ireo nohasoaviko nanomboka ny 1999 dia sao dia mba mifamadika ilay izy fa mba nisy ve ny hoe : inona no azo hanampiana an’i Tahina? », hoy i Tahina Razafinjoelina ny 30 okotobra lasa teo. Betsaka ireo toe-javatra nitranga teto niainga tany amin’ny 2001, 2009, 2013, fa indrindra ny raharaham-pifidianana 2018-2019, ny hetsika fotsy farany teo izay efa nisy teny natsipiny fa nisy kandida nandray volabe hamotehana ny tolona ary nisy kandida ihany koa tena nandany vola nampahombiazana ny tolona,… Andrasana izay hambarany hoe : hiresaka bebe kokoa momba ireny sa zavatra hafa mihitsy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.