Tahina Razafinjoelina

« Efa maro be isika ary tsy maintsy miroso hatrany »


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Nitondra hafa fohy kanefa mafonja ho an’ny vahoaka malagasy ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina

amin’izao tapa-bolana latsaka kely mialoha ny fanombohana ofisialin’ny propagandy ho amin’ny ffidianana filoham-pirenena izao. Voalohany dia misaotra anareo tena maro be tonga manampy ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana, hoy i Tahina Razafinjoelina fa tena tsapa ny fahavononanareo : misy olon-tsotra, mpanakanto manerana ny nosy izay efa manodidina ny 40 eo ho eo amin’izao fotoana ; misy olom-piangonana ihany koa, olom-pirenena tsotra, vahoaka,... Faharoa dia nanambara ny kandida laharana voalohany fa efa miparitaka any amin’ireo faritra 23 manerana ny nosy ny foiben-toeran’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindazana : toerana hakana vaovao sy ny tsara ho fantatra momba ny vovonana no sady misy ivon-toeram-panofanana nomerika hanovozam-pahalalana. Ho fanombohana sahady ilay hoe fanabeazana mitodika amin’i Madagasikara sy ny Malagasy. Tena tsapa ny firaisankina amin’ny fahavononan’ireo mpiara-dia sy mpanohana ary malala-tananaamin’ny firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ka na ny birao na ny olona mandray dia efa vonona. Tsy eto an-toerana ihany fa efa miampita ranomasina ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ka manana masoivoho any France, Allemagne, Canada,… ary mbola ho maro no ho avy hanatevin-daharana. Fahatelo dia nanentana ny rehetra i Tahina Razafinjoelina mba tsy ho mora kivy , tsy tokony ho kivy izany ny olo-marina, hoy izy, izay matetika maneho fa ny fahakiviana mialohan’ny ezaka dia faharesena mialohan’ny fotoana. Tadidio fa hakiviana mihitsy isika hoe tsy mahavita na inona na inona fa hoe vitsy an’isa. Tsy marina izany, hoy izy, fa efa tena maro be isika. Miroso hatrany isika ary apetrantsika ao anaty fahamarinana ny ho avy rehetra, hoy i Tahina Razafinjoelina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT