Tahina Razafinjoelina

"Avelao ny olona hiasa fa aza sakantsakanana"


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Misy zavatra mampalahelo niseho eny anivon'ireny faritra anaovanay asa ireny, hoy i Tahina Razafinjoelina.

Marary ny zanaky ny Malagasy tratran'ity rano maloto ity. Miantraika amin'ny fahasalaman'ny olona ny loto, mihatra amin'ny ain'ny zaza. Nanao asa izahay nanala ireny rano ireny nanomboka omaly,hoy izy ankehitriny tojo olana izahay satria nisy sakantsakana avy amin'ny mpitantana sasantsasany. Eto aho dia manao antso avo, aza afangaro politika ny asa fanampiana ataonay, marobe ny toerana azo iasana, indrindra amin'izao andro manorana izao. Nahoana no hidiana ny asanay nefa avy eo tsy atao akory, marobe ny toerana eto Antananarivo tototry ny rano, sahirana ny olona, hoy hatrany izy. Tsy fanomezana no ataonay ho anïreo olona ireo fa fanampiana ka avelao re izahay fa mafy ny mahazo ny olona, hoy i Tahina Razafinjoelina. Avelao hadio ny tananantsika ! Mba saino ihany fa samy malagasy, avelao ny olona hanadio ny tananany fa izahay vonona hanampy ireo olona ireo, hoy izy.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT