Tahina Razafinjoelina

«Asehonay fa izao aza izahay mahavita mainka fa ben’ny tanàna »


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Lasa roritina any amin’ny politika miiba sy mirefarefa ny asa sy fitsinjovana ireo vahoaka eto Antananarivo

ataon’ny kandida ben’ny tanàna Tahina Razafinjoelina, izay misy ny fanakanana. Maneho izany ny fihetsika asehon’ny mpitantana Fanjakana amin’ny alalan’ny fokontany sy ny kaominina ankehitriny, izay lasa manao fangala-piery amin’ity kandida ity eo anatrehan’ny fanatanterahana asa sy fitsinjovana ireo mponina toy ny mitranga eny amin’ny faritra iva. Tao anatin’ny taona maro tsy nisy nijery ny vahoaka, notezaina tamin’ny koveta sy ny kitolotolotra, navela hiaina sy hilona tao anatin’ny rano maloto miteraka aretina,... Rehefa misy ny mandray andraikitra, dia ny kaominina sy ny fokontany izay tsy nanao na inona na inona hatramin’izay no mitsivalana amin’ny asa. Nosakanana ny fahafahana manary ireo rano teny Andranomanalina rehefa tonga ny « moto pompe » nampanantenain’i Tahina Razafinjoelina, saingy niroso tamin’ny fandefasana kamio teny an-toerana ity farany omaly nahafahana nanala ny rano. Omaly indray, rehefa fantatra fa hidina ifotony teny Anosibe sy Anosipatrana ity kandida ity, izay mampiasa ireo vahoaka hiasa amin’ny fanadiovana ny lakan-trano amin’ny alalan’ny AMA (Asa Maharitra ho an’Antananarivo) dia nosakanana ireo mpiasa, tsy navela hiasa. Sady tsy nanao no mbola misakana ny olona tsy hiasa, ary ezahana sakanana sy salovanina izay ataon’ny hafa kanefa hatramin’izay tsy natao fa nojerem-potsiny ny fahoriam-bahoaka. Moa tsy mazava ve izany fa ny mpitondra Fanjakana ankehitriny no mampahantra sy manao izay tsy hivoaran’ny olona, ary ny olona manampy sy mitarika ny vahoaka hiala ao anaty ziogan’ny rano maloto sy fako rehefa fahavaratra indray no tsivalanana ? « Averiko foana hoe : maro be ny toerana azo hiasana re olona. Nahoana raha tonga dia miasa dia samy tsara. Tsy aleo ve mifampisintona samy miasa toy izay mifanenjika samy tsy hanao? Tsy voatery manao ratsy anie vao tonga amin'ny tanjona tsara e! Betsaka ny fokontany dibo-drano ka nahoana no tsy ireny no vonjena », hoy i Tahina Razafinjoelina omaly naneho sary teny anosibe sy Anosipatrana nanaovana sakana sy andrimaso rehefa avy nanomboka ny vaha olana teny izahay anio alarobia..

Ny filazana hoe : nahoana no izao vao manao izany, dia efa tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna teo aloha izay niara-niasa tamiko no natolotra maimaimpoiana ny « Antananarivo Nomerika » fa tsy afaka ny handa izany izy. Raha manao an’ireny asa ireny, dia te hiteny fotsiny ihany koa izahay hoe : vita io rehefa hatao, ary izao aza izahay mbola tsy ben’ny tanàna mahavita, mainka fa rehefa tonga eo, hoy i Tahina Razafinjoelina omaly, raha nanolotra sy nitokana ny IT na Ivon-toerana ho an’ny Tanora izay hanofanana ara-informatika sy fahaiza-manao samihafa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT