Tafapetraka ny firotsahan’i Siteny

“Fifidianana no voalazan’ny lalàna, tsy mahasoa ny tetezamita”


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Ny sabotsy 02 septambra teo no tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ny kandida Siteny Randrianasoloniako kandida atolotry ny PSD.

Feno tanteraka ny antontan-taratasy, ary ny mampiavaka azy raha ny nambaran’ity kandida ity, dia izy no olom-boafidy voalohany natolotry ny olom-boafidy sy antoko maromaro, izay isan’ny voalazan’ny lalàna. Solombavambahoaka sy ben’ny tanàna maro no nambarany fa manohana azy. Raha ny lalàna dia avy amina faritany telo, tany amin’ny 700 no tonga tao nisoratra anarana, fa ny lalàna dia milaza fa tsy maintsy 150 ihany no ampidirina ao anatin’ny fanolorana raha ny lalàna. Milaza I Siteny Randrianasoloniaiko fa raha vao nanomboka izy ireo, dia maro ireo somary nisalasala, fa rehefa nisy famaliana avy amin’ny vahoaka manerana ny Nosy, na ny mpitondra aza taitra, dia namorona lalàna tsy misy didim-panjakana. Tsy nisy an’ireny lalàna ireny, fa rehefa niseho aho vao navoaka ireny, hoy io kandida io. Nilaza I Siteny Randrianasoloniaiko fa izy vao nivoaka no navoaka ireny lalàna miendrika fanakantsakanana ireny, ka nilazany fa efa tsapatsapa ihany fa mizotra makany amin’ny fandresena ny firotsahany. Momba ny fisian’ny fisalasalana samihafa momba ny fifidianana, tahaka ny efa nilazan’ny FFKM fa vonona hitarika ny fifampidinihana sy fifampiresahana, dia nilaza kosa I Siteny Randrianasoloniaiko, fa raha ny lalàna dia tsy maintsy hatao ny fifidianana satria tapitra tanteraka ny fotoam-piasan’ny Filoha am-perinasa. Tsy nahasoa ny Malagasy, hoy izy, ny tetezamita rehetra, ka na ny CENI na ny HCC izay miteraka resabe, dia io araka ny tenin’ny Floha Ratsiraka hoe: raha mamay tahaka ny inona aza ny sakay rehefa hifanarahana dia lany ihany ka nilazany fa ao aminy ny fahavononana. Momba ny fanambaran’ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro teo kosa, dia nilaza ny tenany fa tsy zavatra mahagaga ireny. Efa nisy tahaka ireny tamin’ny 2018, ary iny niverina iny! Tsy zavatra mahagaga, fa ny nampiavaka azy dia ny Minisitra rehetra no nanao sonia tamin’ny 2018, fa tamin’ity dia ny solontena. Ny asan’ny mpitandro filaminana dia miaro ny vahoaka Malagasy, ka ny irariako dia mba tsy hiditra politika, izay hita amin’izao fotoana izao fa misy mpitandro ny filaminana miditra amin’ny politika ka miteny fa baiko. Nisy fianarana natao momba izany, ka rehefa baiko tsy ara-dalàna dia tsy tokony harahina tahaka ny hoe: misy olona manao akanjo mavo anaty fiara dia asaina mivoaka na tsy avela mandeha ny fiara, ka tsy mety izay, hoy ity Kandidan’ny PSD ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT