Tafapetraka ny dosien’i Hajo A

“Tsy mora ny fanarenana ny firenena”


  • Talata 05 Septambra 2023

Tafapetraka omaly maraina teny amin'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny taratasy feno filatsahan-ko

fidiana ho filoham-pirenenan’ny kandida, Hajo Andrianainarivelo. Misaotra ny antoko politika MMM, hoy ity kandida ity, nanolotra ahy ary mamerina ny antso ho an'ny olom-pirenena rehetra hifanome tanana amiko satria tsy mora ny fanarenana ny firenena. Manao antso avo ho an'ny olompirenena malagasy rehetra hifanome tanana amiko hanavotra ny firenena sy ity taninjanaka iombonana ity, hoy izy. Solontena na “mandataire” izay notarihin’ny mpitondra teny sady mpisolovava ny antoko, ny Maître Rija Rakotomalala, moa no nanatitra ny dosien’ity kandida heverina fa isan’ny goavana ity tetsy Ambohidahy. Sahy isika hanova ny lalan-tantara eto Madagasikara, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Manamafy ny MMM fa ny fanekena hiroso sy handray anjara amin’ny fifidianana akory tsy midika fa fanekena ny tsy fanarahan-dalàna mbola hita taratra eo anivon’ny CENI sy ny fikarakarana fifidianana. Isan’ireo miombona ny amin’ny tokony handaminana ny tontolom-pifidianana mialohan’ny tena hiatrehana izany ny antoko, raha mbola azo atao ihany, ary namerina hatrany ihany koa fa tsy azo ekena ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenenana olona efa nisafidy ny hanary ny zom-pirenena malagasy ho atakalo zom-pirenena vahiny.
J. Mirija

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT