Politique

Tabera Randriamanantsoa Nanakiana mafy ny filoha Rajoelina


  • Talata 10 Septambra 2019

Nanao fianianana teny Iavoloha ary nanoloana ny Papa Fransoa ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny CRN na komitin’ny fampihavanam-pirenena, Tabera Randriamanantsoa,

 

 raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny famerenan’ny filoha Malagasy ny veliranony indray ny faran’ny herinandro teo. Tsy zazakely akory ny Papa, hoy izy. Ren’izao tontolo izao ary raikitra anaty tahirin-kevitry ny Papa ireny zava-boalaza ireny ary hanara-maso izany ny sehatra iraisam-pirenena. Mety efa tsy azoazon’ny Katolika rahateo ilay fianianana tsy nisy baiboly ary ny hafatry ny Papa dia hita ho nisy kaody na “message codé”. Na ireny fitenenany Italianina fa tsy frantsay ireny aza, hoy izy, misy dikany ary saika nanafatra foana ny Papa tamin’ireo toerana notsidihany teto hoe hajao ny teninareo. Ny filoham-pirenentsika anefa niteny frantsay namaly azy fa tsy niteny Malagasy. Misy fihetsika sy fiteny mila tandremana be dia be eo amin’ny lafiny diplaomasia amin’ny fotoana toy ireny. In-telo nanototra ilay Baobab novolen’izy mianaka teny Iavoloha, izay midika ho Trinite, ny Papa kanefa ny filohantsika in-droa fotsiny, hoy hatrany izy ka mila maka lesona ny rehetra. Ho hita eo moa raha tena hanatanteraka ny teniny ny filoha fa ny zavatra iray hita koa, hoy ity filohan’ny CRN, ity dia mila mihavana amin’i Zanahary mihitsy ny Malagasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT