Hanatanteraka kongresy ny RMDM na ny “Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara”, handinihan’izy ireo ny
fepetra anatiny io rafitra io sy hamaritana ny tolo-dalàna nolanian’ny teo anivon’ny antenimieram-pirenena momba ny satan’ny mpanohitra. Nambaran’Atoa Tabera Randriamanantsoa fa tokony hisy ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny lapan’i Tsimbazaza satria tsy mipetraka ny demokrasia, raha tsy misy ny mpanohitra. Nankasitraka ny antenimierandoholona ny tenany tamin’ny tsy mbola nandanian’izy ireo ny lalàna mifehy ny mpanohitra. Hivoaka mandritry io kongresy izay atao io koa ny lalàna hifehy ny fanoherana avy amin’izy ireo, hoy hatrany izy.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.