Misy mivarotra eny amin’ireny mpivarotra lamba tonta eny amoron’ny lakandranon’Andriantany iny ireo t-shirt misy sarin’ireo kandidà nandray anjara tamin’ny fifidianana nifanesisesy teo ireny. Arivo Ariary ny vidin’ny iray nefa mety ho latsak’izay raha toa ka efa somary vasobasoka ilay izy. Ireo olona tsy manan-katokona fa mba te hividy vary hatao sakafo antoandro na koa ireo te hirevirevy kely hisotro toaka no tena betsaka mivarotra an’izy ireny. T-shirt nozaraim-potsiny koa moa ka ao ireo manao azy fitondra matory, ny an’ny sasany tenaina entina miasa. Ny an’ireto navadika vola, sitrany ahay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.