Politique

Sylvia Ranaivojaona « Antoko faka tahaka ny AREMA »


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Tsy azo hodian-tsy hita ny zava-bitan’ny antoko AREMA teto amin’ny tany sy ny firenena hoy Ranaivojaona Sylvia,

izay taizan’ny antoko AREMA no sady filohan’ny vehivavy FIZAFAFI sady mpandrindra nasionalin’ny fikambanana FIZAFAFI ihany koa omaly. Izy no antoko nanana fijery miabo indrindra hoy izy tamin’ny fitantanana ny firenena no sady nahavita nanabe ny vahoaka Malagasy nanomboka tamin’ny taona 1975. Tsy nisy izay tsy nobeazin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny Malagasy hoy hatrany izy nandritra ny 23 taona nahateo azy tamin’ny fitondrana. Izay rehetra nokasain’ity Fitondrana ity hoy hatrany Ranaivojaona Sylvia dia saika vitany daholo indrindra fa ny nanatsara ny sosialim-bahoaka. Na izany aza anefa hoy izy dia mbola fantatra izay mety hoavoaky ny ampitso sy ny ho avy amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena fa ny hany maharesy lahatra azy sy tokony ho fantatry ny rehetra dia tena nahavitabe teto amin’ny tany sy ny firenena ny antoko AREMA.
Pati
Legende : Sylvia Ranaivojaona, filohan’ny vehivavy FIZAFAFI sady mpandrindra nasionalin’ny fikambanana FIZAFAFI
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT