Politique

Sotasota atao amin-dRavalomanana Mampiaka-peo ny VOT


  • Alakamisy 17 Desambra 2015

Nampiaka-peo indray ny VOT Antsirabe raha nahare fa mbola notapahin’ny Jirama araka ny baiko azon’izy ireo ny jiro ao amin’ny trano fonenana sy fivantanan’ny filoha Ravalomanana ao Manjakatompo-Andranomanelatra.

 

      “Miangavy ny fanjakana mba hampitsahatra ny filam-baniny sy ny antsojay atao amin’ny filoha Ravalomanana izahay vondron’olon-tsotra eto Antsirabe, sao mba tsy rariny izao atao aminy izao”, hoy Atoa Randrianiaina Rasolofojaona, nitondra ny fitenenana, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety. Nambarany moa fa efa tena karazana filàna ady amin’ny filoha Ravalomanana mihitsy ny ataon’ny fanjakana, ary efa tena sotasota izany. Raha izao no mitohy dia nambarany fa hiteraka korontana fa tsy fitoniana no tadiavin’ny fanjakana amin’io taona miditra io. Efa mba nisy mantsy hoy ity solontenan’ny VOT ity ny tsirim-panantenana amin’ny hisokafan’ny Tiko ka hiverenan’ny asa na dia amin’ny ampahany aza ho an’ny eto Antsirabe dia teo sahady ny fanapahana ny jiro tao Andranomanelatra ary nitohy tamin’ity tao amin’ny trano honenan’ny zanaky ny filoha Ravalomanana ity. Tsy tombontsoan’ny filoha Ravalomanana irery nefa ny fisokafan’ny Orinasa Tiko fa an’ny Malagasy rehetra izany kanefa dia sahin’ny mpitondra ny mamotika azy noho ny fankahalana tsotra izao. Mbola naverin’izy ireo indray fa na eo aza  ny ezaky ny fanjakana amin’ny fiantsoana ireo mpampiasa vola eto Madagasikara  dia tsy misy manohina ny antson’izy ireo noho ny fahitan’ny mpandraharaha fa ny Orinasa Malagasy efa eto aza tratran’ny antsojay ka inona no azo atao eto.

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT