Politique

Sosialy hanajanonana fotodrafitrasa Manahy ny mpahaitoekarena


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Ilaina be ho an’ny firenena toa an’I Madagasikara ny resaka sehatra ara-tsosialy, hoy ny mpahaitoekarena, Nathan Ravel. Manana mponina mahatratra 70%

ao anatin’ilay antsoina hoe “pauvreté multi-dimensionnelle”, izany hoe, sady mahantra ilay olona no tsy manana fahafahana hivoaka ao anaty fahantrana I Madagasikara, hoy izy. Mahantra foana izy izany mandritry ny fotoana lava be ka misy paikady mila apetraka hahafahan’ireo olona ireo mampivoatra ny fiainany mba tsy hahantra intsony rahampitso. Izay no maha sarobidy ny fampiroboroboana ny sehatra ara-tsosialy. Tsy ilay heritreretintsika foana hoe hanome vary sy ny tahaka izany io fa misy sehatra maromaro. Eo ny fanabeazana. Eo ny fisitrahana fitsaboana sy fanatsarana toe-pahasalamana. Eo ny fahafahana monina anaty toeram-ponenana madio. Ny fahafaha-misitraka rano fisotro madio sy fanadiovana sy fidiovana. Ireny rehetra ireny no miantoka ny fahasalaman’ny mponina ka hahafahany miasa. Rehefa salama sy miasa ny mponina dia afa-miatrika ny sehatra rehetra mety hidirany sy fianarana ary hampitomboana foana ny fahalalana fa tsy toy ny teo aloha hoe sady tsy mahay ABD no mahantra sy noana. Ilaina ny fanampiana ara-tsosialy saingy mila fepetra mba tsy hahatonga azy hiankin-doha amina zavatra mora lany toy ny vary tsinjo na vatsy tsinjo fa amina paikady mazava. Mila atao mazava hoe eto ilay olona mila ampiana. Eto izy efa manana ny ampy tsara ara-pitaona na arak’olona na ara-pahalalana sy fahasalamana enti-miatrika sy mampitombo ny vola miditra aminy. Tsy tafavoaka koa anefa ny fampandrosoana raha tsy misy fotodrafitrasa. Tsy vitan’olona tsirairay na vondron’olona vitsivitsy ny fanamboarana fotodrafitrasam-panjakana satria ambony be, lafo be, goavana be ny fandaniana amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa. Ilain’ny toekarena nefa ny fotodrafitrasa. Na voahaja daholo aza ilay resaka sosialy teo kanefa tapaka ohatran’ny amin’izao fotsiny, ohatra, ny lalana dia efa sakana ho an’ny fampandrosoana izay. Na ny resaka herinaratra aza dia tokony ho fotodrafitrasa omen’ny fanjakana satria tsy vitana vondron’orinasa be dia be ny hanome herinaratra hampiodina toekarena eto. Ireny fotodrafitrasa ireny izany no manome vahana sy manosika kokoa ny sehatry ny fandraharahana. Manahy, noho izany, ny mpahaitoekarena tahaka ny tenako manokana raha hajanona ny fotodrafitrasa satria misy ampahany lehibe amin’ny fampandrosoana mety ho voasakana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT