Sophire Ratsiraka

« Rariny ny hetsika rahampitso, fa tokony ho am-pilaminana »


  • Alarobia 24 Septambra 2025

Anisan’ireo naneho hevitra mikasika ny hetsika

kasaina hatao rahampitso 25 septambra 2025 ny depioten’i Vatomandry sady efa minisitry ny asa tanana tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Nambarany fa voaresaka nandritra ny fotoam-pivavahana nametrahana ny Arseveka mpanampy eto amin'ny Diosezin'Antananarivo ny olan'ny famatsiana rano sy jiro eo anivon'ny JIRAMA. « Amiko manokana, dia rariny ny hetsika fanehoana ny mankarary ny mponina ny 25 Septambra ho avy izao satria zo fototra tsy azo hialana ny fisitrahana rano fisotro sy ny jiro manazava. Ny fanehoan-kevitra an-kalalahana ihany koa dia fototry ny demokrasia. », hoy izy. Na izany aza anefa dia tokony hatao am-pahendrena sy am-pilaminana izany ary anatin'ny fanajana tanteraka ny aina sy ny fananan'ny tsirairay, raha ny nambarany. Nolavin’ny Prefektioran’Antananarivo moa ny hetsika, ary sokajiana ho fanakorontanana. Tena resaka korontana tokoa ve sa tahotra ny hisian’ny vahoaka maro dia maro haneho fa tsy mety sy tsy rariny intsony izao ? Raha tena demokratika ny fitondrana dia tsy fanakanana ny hetsika amin’ny alalan’ny fampiadiana vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana ve no tokony hatao sa ilay antsoina hoe : « gestion démocratique de la foule » izany hoe : fitandroana am-pilaminana ny fihetsiketsehana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT