Politique

Sophie Ratsiraka Ny "DEMOGASY" no tsara apetraka


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Niforona nandritra ny tetezamita, 10 taona nisiana izao ny Rassemblement des Partisans du Ratsirakisme na RPR.

Nisy ny fihaonana nentin'ny mpikambana nankalazana izany tetsy Ampasanimalo Antananarivo ny sabotsy teo notarihin'i Sophie Ratsiraka, filoham-boninahitry ny fikambanana. Nandritra io fety io no nilazany zanaka vavin’ny filoha teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka, sady Minisitry ny Asa-tanana sy haitao fa ny RPR dia mivoy ny "DEMOGASY" na na "Demokrasia amin'ny fomba sy foto-pisainana Malagasy" na "Démocratie à la Malgache". Betsaka no tsy mahalala ny fisian’izany RPR izany. Somary natoritory tao koa ny fikambanana. Asa na fifanojoan-javatra fa hatramin'ny naha mpikambana ao anaty governemanta an'i Sophie Ratsiraka no tsikaritra ho niseho indray ny RPR, eo koa ny taom-pifidianana 2023. Voalaza fa mitsangana manerana ny Faritra 23 eto Madagasikara ny RPR, izay ivondronan'ireo olona na fikambanana rehetra manaraka na resy lahatra amin'ny foto-kevitra napetraky ny Amiraly Didier Ratsiraka nefa tsy tafiditra na tsy te hiditra anaty antoko politika. Hitohy any amin'ny Faritra rehetra araka izany izao fankalazana izao. Nialoha izao dia nanolotra sarety misy voninkazo orchidées izay tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ho an'ny Parc Botanique et Zoologique Tsimbazaza ny fikambanana entiny hampisehoana ilay foto-kevitra "Humaniste et écologiste" novoizin'ny filoha Didier Ratsiraka.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT