Betsaka ny hetahetan’ny vahoaka, maro ireo zavatra efa nandrasana hatramin’izay tsy vita eo no efa nampanantenain’ny olona teo aloha tsy vita…
Ao anatin’ny fandinihanana ny politika ankapobeny ny fanjakana ireo depiote ireo, izay voaantso hiatrika fivoriana manokana. Fotoana izao hijeren’ireto olom-boafidy ireto manokana ireo distrika misy azy. Hijery akaiky sady apetraka tsara mihitsy sy angatahina any amin’ny governemanta ny fe-potoana na ny atao hoe « dead line » amin’ny asa hatao. Efa samy mahalala izay zavatra misy any aminy ireo solombavambahoaka ireo ka tokony hiady ho an’izay mba tena hahazo tetikasa maro mba tena hiantefa any amin’ny vahoaka. Mba zavatra tena hotanterahina ihany koa fa tsy atolotra fotsiny. Rano fisotro madio, resaka fahasalamana toy ny CSB sy hopitaly… eo ihany koa ny fampandehanan-draharaha eny amin ireo sampandraharam-panjakana, eny amin’ny kaominina, na eny amin’ny distrika. Mahakasika ny fampianarana ihany koa satria vitsy ny sekoly any amin’ireo ankamaroan’ireo distrika. Betsaka no andrasana amin’izy ireo. Asa masina ny asan’ny parlemantera satria solontena sady mitondra ny feon’ny vahoaka. Ny laharampahamena na any amin’ny fahefana mpanatanteraka na mpanao lalàna dia izay mahasoa ny vahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.