Taorian’ny fifidianana ireo birao maharitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza,
ny herinandro teo dia nisy tamin’ireo solombavambahoaka ireo no avy hatrany dia nangataka fiara tsy mataho-dalana mba hiasany any amin’ny faritra nahavoafidy azy. Marina fa ilaina ny fiara, saingy, tsy laharam-pahamehana izany amin’izao, fa rehefa tafapetraka ny birao rehetra toy ny biraon’ny kaomisaonina dia izay vao mitaky izany, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana, Atoa Marco Tsaradia.
Nambarany, fa nandritry ny fampielezan-kevitra natao dia maro ireo fampanantenana natao tamin’ny vahoaka nifidy azy ireo ary tokony ho izay aloha no imasoana sy vaindohan-draharahan’ireo depute ireo, vao mitaky izany fiara 4x4 hiasany izany. Tsy mahamaika ny fahazoana io fiara io, fa tanteraho aloha ny vina sy ny toky nomena ny vahoaka, hoy hatrany izy.
Sitraka r
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.