Politique

Solombavambahoaka TIM Manohana ny kandidŕ ben’ny tanŕna any Alarobia Ambatomanga


  • Zoma 06 Novambra 2015

Naneho ny firaisankinany amin’ny fanohanana ny kandida ben’ny tanŕna ao Alarobia Ambatomanga, Ranaivomanana Antoine Ernest na Ramose Naivo N° 2 amin’ny fifidianana haverina ny 13 novambra ho avy izao,

 

 ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM manerana ny nosy. Ny alarobia 4 novambra 2015 raha nanatanteraka hetsika fampielezankevitra teo akaikin’ny tsena ny kandidà tohanan’ny Tim ity niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky dia anisan’ireo nirodorodo tonga tany an-toerana ireo solombavambahoaka avy amin’ny Tim izay nahitana ny solombavambahoaka isany, Rakotomanjato Rodin (Arivonimamo), Rabenirina Mamy (Ambohitradrimo), Rasoanoromalala Marie Horace (Ambohimanarina), Ravahimanana Guillaume (Miarinarivo), Randrianarisoa Stanislas (boriborintany faha-2) ary  Rahantasoa Lydia (Manjakandriana). Ireo solombavambahoaka sasany moa dia mbola ho avy amin’ny fotoana manaraka hanotrona ihany amin’ny manaraka. Nahavory olona maro ny fampielezankevitra na dia tsy nisy aza ny fizarana vola na zavatra ho an’ny olona, fa dia tonga tamim-pitiavana nihaino ny fanentanana. Ireo rehetra nandray fitenenana dia samy nanazava ny antony hanohanana ity kandida N°2 ity. Toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana Marc, hoy izy ireo, no antony ary tohananay ny mpanome baiko dia ny filoha Ravalomanana. Aza mety horebireben’ny hevitra tsy mitovy isika fa atambaro ny herintsika hanohanana ny kandidà Ramose Naivo amin’ny 13 novambra. Voalazan’ireo mpandray fitenenana fa nahazo vato betsaka ity kandida Tim ity tamin’ny fifidianana farany teo kanefa dia izao averina izao ny fifidianana. Aza adino ny hafatry ny filoha Ravalomanana hoe mahavita, mahalala, mahay ny Tim ka ampiharo izany. Nanambara mazava ireo solombavambahoaka Tim fa amin’ny maha mpiray tanindrazana no hahatongavan-dry zareo tany Alarobia Ambatomanga manohana ny kandidà N°2. Olona mahavita azy dia tsy maintsy arovana hatramin’ny farany Ramose Naivo, hoy ny feo, ka manentana antsika hifidy azy. Vonona ny hanohana azy izahay depiote Tim 21. Ny depiote Rahantasoa Lydia dia nanambara fa : “izahay ben’ny tanàna teo aloha dia niezaka nampandroso ity kaominina ity tamin’ny fotoanandrony ka izay no hanohananay ny kandida ramose Naivo. Io ihany no kandidà hiarahanay solombavambahoaka Tim miara-miasa ka fidio izy ny 13 novambra. Eto ny tenako dia miantso  ny Tim rehetra manerana ny fokontany 15 hanohana ny laharana faha-2 eto Alarobia Ambatomanga.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT