SOLOMBAVAMBAHOAKA

Miray tsikombakomba mividy 4x4 manoloana ny fahoriam-bahoaka


  • Zoma 06 Desambra 2024

Porofo iray indray izao fa misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ireo olon’ny antokon’ny fitondrana sy ireo milaza azy hoe mpanohitra.

Marina fa hoe vitsy an’isa fa dia tsy mba miady, tsy mba miteny ve fa manao be manaiky isaky ny mihetsika ? Hatrizay nolazaina fa tsy mahay misafidy laharampahamehana ilay fitondrana, amin’izao fotoana dia lasa laharampahamehana eken’ny depioten’ny fitondrana sy mpanohitra ny fividianana fiara 4x4 ampiasain-dry zareo, ny vahoaka anefa tsisy rano, tsisy jiro, manao sakafo ambany foitra. Mandeha tongotra fa tsy mahatakatra saran’ny taxibe. Nifanaraka tao ihany izany ny mpitondra sy ny (mpanohitra) eny amin’ny antenimierampirenena fa dia ho vidiana ny fiara 4x4, 160 isa. Ho an’i Tahina Razafinjoelina dia takalon’ny fanekena tsy nasiam-panovana na kely aza ilay lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2025 izany. Nisarika ny sain’ireo solombavambahoaka 12 miandahy eto an-drenivohitra izy tamin’ny alalan’ny kajy faran’izay tsotra. Raisina hoe100 tapitrisa ariary no vidin’ny fiara 4x4 iray. Mitentina 1, 2 miliara ariary izany ny vola ividianana 4x4 ho an’ireo solombavambahoaka 12 eto an-drenivohitra. Tsy afaka nanolotra sosokevitra mihitsy ve hoe aleo jiro solaire no ho an'ny renivohitra ? Mahazo 10 000 isa io sady nahavitana lava-drano 192 dia miampy motopompes 20 ho an’ireo fokontany eny amin’ny faritra tena iva ? Sady mazava tanteraka ny renivohitra no mahazo rano sy fahadiovana ny mponina. Tsy mampaninona ireo solombavambahoaka mihitsy ve izany ny mitaingina fiara raitra mitety tanàna manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka isan’andro ?
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT